Nomelohin'ny fitsaràna 5 taona sazy mihatra an-tranomaizina miampy lamandy 20 tapitrisa ariary tenany, rehefa nenjehina ho nanao fanodinkodinam-bola tao amin’ny kaominina iadidiany tamin’ny taona 2017. Iray amin'ireo voampanga 6 voakasiky ny didim-pitsaràna navoakan'ny Tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly na PAC (Pole Anti-Corruption) Antananarivo, ny zoma teo, ny tenany sady kandidà ho ben'ny tanàna amin'ity fifidianana manaraka ity. Tsy mahazo manao asam-panjakana mandritra ny 3 taona ihany koa ny tenany, araka ny didy. Noho izy tsy niatrika ny famoahana didy, toy ireo voampanga 5 hafa dia, misy didy fampisamborana azy ireo. Nanao fandravàna didy kosa ny mpisolovava azy ireo, araka ny zò omen'ny lalàna ka manana 3 andro izy ny amin'izany. Efa tafapetraky ny solontenany any amin'ny OVEC Antsiranana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidian'i Jean Luc Djavojozara izay vondrona mahaleotena. Tany aloha dia voalaza fa tany amin'ny PAC Mahajanga no.nisy raharaha mahakasika ny famarotana korontam-by sisan'ny fiaran'ny kaominina, saingy efa ela anefa io ary tsy namokatra ka tsy nahavoatana an'i ben’ny tanàna ity. Nisy indray taty aoriana ny fampiakarana azy taty amin’ny PAC Antananarivo, ka talohan’ny fifidianana depiote no nandeha ny fanenjehana. Kisendrasendra ve ny hoe : talohan’ny fifidianana depiote izy no saika hosamborina, ka tsy afa-nilatsaka ? Tafapetraka indray ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany ho ben’ny tanàna, dia namoahana didy fanamelohana higadra. Ity ben’ny tanàna ity izay marihina fa tena olona mamy hoditra amin’ny vahoaka ao Antsiranana noho ny asa sy fivoarana nentiny tamin’ny fitantanana ity kaominina ao amin’ny renivohi-paritanin’Antsiranana ity. Asa hanao ahoana ny tohiny eo anatrehan’ny fikarohana azy sy ny mety ho tsy fahafahany mirotsaka ? Hanao ahoana ny ho fihetsiky ny vahoakan’Antsiranana ?
Toky R
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy
Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,
Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.
Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,