airtel

Politique

22-sept-2026

Boing nalefa any Iran

Olona 28 sy orinasa 5

Sample post image

hiakatra Fitsarana

22-sept-2026

Manomboka anio talata 22 septambra amin’ny 9 ora maraina eny amin’ny Pôle anti-corruption (PAC) ao amin’ny 67 Ha ny fitsarana momba ny raharaha Boeing 777, izay heverina ho iray amin’ireo dosie lehibe indrindra mikasika kolikoly avo lenta eto Madagasikara sy amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Raharaha manodidina ny fiaramanidina dimy izay nampiasain’ny Singapore Airlines taloha, nefa voalaza fa nentina an-tsokosoko ho any Iran tamin’ny alalan’ny firenena maromaro, ka anisany i Madagasikara. Nampiasaina tamin’izany ny taratasy fanamarinana sy laharana vonjimaika navoakan’ny ACM (Aviation civile de Madagascar), izay tatitra no nilaza fa nampiasaina tsy ara-dalàna taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana maha-azo ampiasaina azy. Voakasika amin’ity raharaha ity ny olona 28 sy orinasa dimy, mitambatra ho 33 voampanga ara-batana sy araka ny lalàna. Anisan’ireo voatonona i Valéry Fitzéral Ramonjarivelo, minisitra teo aloha misahana ny Fitaterana sy ny Toetrandro, izay voafonja vonjimaika nanomboka ny 7 marsa 2026 taorian’ny fipoahan’ny raharaha tamin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tafiditra ihany koa ny Jeneraly Richard Ravalomanana, filohan’ny antenimierandoholona teo aloha, izay efa manefa sazy 10 taona asa an-terivozona ao Imerintsiatosika noho ny raharaha nateraky ny fihetsiketsehana tamin’ny septambra 2025. Tafiditra i Mamy Ravatomanga, mpandraharaha malaza mbola voatazona any Maurice, ary i Gervais Damasy, tale jeneralin'ny ACM teo aloha. Ankoatra ireo, mbola misy tompon'andraikitra maro, misy teratany vahiny,... Ny orinasa Udaan Aviation, Global Security, Madagold, Cion S.A., ary Fashion Paradise dia voatonona ao anatin’ny dosie. Ahitana fandikan-dalàna amin’ny fiandrianam-pirenena, fanararaotam-pahefana, kolikoly, fanadiovana vola, fikambanan-jiolahy, hosoka sy fampiasana hosoka, ary fisandohana. Maneho fifangaroan’ny tombontsoa ara-politika sy ara-toekarena ary ny kolikoly ny raharaha Boeing 777. Manan-danja eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy manatsikafona kolikoly goavana sy afera maizina ataon'ny mpitondra ambony. Heverina fa hangotraka ity raharaha ity izay tsy mahakasika an'i Madagasikara irery fa indrindra ireo Firenena goavana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

Efa any New York ny ampahany

Card image cap
18-sept-2026

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena

Card image cap