airtel

Politique

16-août-2024

CENI_Fifidianana ben’ny tanàna

« Feno ny pitsopitsony, ampy ny vola »

Sample post image

Feno ireo pitsopitsony hahafahana hahafahana miroso amin’ny fifidianana ny 11 desambra 2024,

16-août-2024

raha ny valan-dresaka nataon’ny CENI ny alarobia lasa teo, namelabelatra ireo teboka samihafa mikasika ny zotram-pifidianana. Efa nivoaka avokoa ny didim-panjakana: fanomanana ny fifidianana, fandraisana anjara amin'ny bileta tokana, fanaikana ny mpifidy. Efa nahazoana alalana tamin'ny filankevi-panjakana ny fahafahana manao fifidianana amin'ny fahavaratra ary nisy rahateo ny « avis » avy amin'ny HCC ny 25 janoary 2024 fa tsy maintsy atao amin'ity taona ity ny fifidianana Ben'ny tanàna, hoy ny eo anivon’ny CENI tamin’ny alalan’ny Filohany Atoa Dama Andrianarisedo. 1 200 000 hatramin’ny 20 000 000Ar ny antoka na « caution » arakaraka ny sokajin’ny kaominina. Lisitra no fidiana amin’ity, izany hoe : anaty lisitra iray ny ben’ny tanàna sy ireo mpanolontsaina monisipaly miaraka aminy, ary miainga amin’ny vato azo ny kajikajy amin’ny toeran’ny mpanolontsaina. Tsy tafiditra ho mpanolontsaina kosa anefa ilay kandida ben’ny tanàna tsy lany. Ny 5-10 Septambra: fandraisana antontan-taratasy. Ny 12 oktobra no hamoahana ny lisitra sy biraom-pifidiana misandrahaka amin’ireo kaominina 1695 manerana ny Nosy. Ny 19 novambra hatramin’ny 09 desambra kosa no hanatanterahana ny propagandy, ary 24 desambra farafahatarany no heverina hivoahan'ny ny voka-pifidianana vonjimaika,... Ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey hatrany kosa no hiasa na mandeha aza ny fanavaozana isan-taona. Milaza ny Filohan’ny CENI fa hafafana miroso amin'ny fifidianana ben’ny tanàna ny toe-bola misy ao, izay 52 miliara Ar no voasoratra ao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ary tsy misy afatsy io aloha izany hatreto. Milaza ho tsy midika fa manda fanampiana anefa ny CENI. Momba ny ahiahy ara-pifidianana maro toy ny fitanana an-tsoratra na « PV » hosoka izay mety miainga amin'ny Birao fandatsaham-bato na eny antenantenany, dia milaza ny CENI fa mametraka lamina hisian'ny antoka fa tena izy. Tsy afaka hitompo teny fantatra fa tsy misy ny hosoka, saingy tsy voatery ho ny PV avoakan'ny rafitra nanao hosoka no avoakan'ny CENI, fa tena miezaka manao fampitahana, hoy ny Filohany. Nanambara fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra olona iray, fa manao ny fomba rehetra hitandroana ny bileta mba tsy ho very eny antenantenany,... Anjaran'ny rehetra ny mitoroka sy mampahafantatra ny CENI, misy « chaîne de sécurisation » na dingana fiarovana, ary fantatra raha bileta namboarina ivelany, hoy hatrany ny CENI izay naneho fa tsy miditra amin'ny fifanolanana na « contentieux » fa andraikitry ny filankevi-panjakana izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap
04-juin-2025

Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,

Card image cap
03-juin-2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Card image cap
03-juin-2025

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

Card image cap
03-juin-2025

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,

Card image cap