airtel

Politique

13-mars-2024

CHRISTINE RAZANAMAHASOA

« Fadio ny mirary ratsy ireo tsy mitovy hevitra aminao »

Sample post image

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena sy ny zava-misy

13-mars-2024

amin’ny ankapobeny eto Madagaskara ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine taorian’ny diany tany Frantsa niatrika ny fihaonana an-tampon’ireo vehivavy filohana Antenimierampirenena. Hoy indrindra izy : « Tsy tokony hitazana sy hitsetra fotsiny ny zava-manjo ny firenena ny vehivavy fa mila mandray andraikitra. Fadio ny mirary ratsy ny olona tsy mitovy hevitra aminao. » Manankarena kanefa mahantra, i Madagasikara hoy i Christine Razanamahasoa. Maro ny foto-drafitrasa no miantona ny asa, tsy ny rafitra no sakana amin’ny fampandrosoana eto fa ny olona no sakana mankadiry, hoy izy . Nahitsy i Christine Razanamahasoa niteny fa maro ireo vahiny maniry ny hamorona asa sy hampiasa vola eto Madagasikara saingy matahotra, eo aloha ny lalana potika, ny olan’ny fampaham-bokatra, ny lalàna, ny ttontolon’ny fandraharahana na climat des affaires izay mampitaintaina, ny tsy fahampian’ny angovo enti-mamokatra noho ny olan’ny Jirama. Tsy irery ny malagasy amin’ny fampandrosoana fa misy mpiara-miasa. Mirary soa ny vehivavy miraisa hina , mifankatiava.Anisan’ny fototra afaka mampiova ny tantara ny vehivavy ary manana ny herin-tsaina rehetra ilaina amin’ny fanovana . Efa mar ny vehivavay manerana izao tontolo izao no manapahaizana misehatra amin’ny politika. Fa nitondra hafatra ho an’ny vehivavy ihany koa izy ka nanambara fa Anisan’ny fototra afaka mampiova ny tantara ny vehivavy ary manana ny herin-tsaina rehetra ilaina amin’ny fanovana. Ry vehivavy Malagasy, raiso ny adidy tandrify anao ho amina tanjona sy fiainana kokoa, hoy i Christine Razanamahasoa. Ho an’ireo mpisompatra kosa dia tsarovy, hoy izy : « aza manao izay mampalahelo ny vehivavy fa Andriamanitra no miady ho azy ».
RTT
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap