airtel

Politique

06-mai-2025

Coktail Molotov

Natao ho arehitra sy atsipy fa tsy apetraka fotsiny

Sample post image

Raha ny famaritana ny atao hoe Coktail Molotov voarakitra anaty Rakibolana no tsiahivina

06-mai-2025

dia voalaza fa izy io dia fitaovam-piadiana voatr’olombelona natao handoro na «arme incendiaire artisanale». Amin’ny ankapobeny, ireo singa ao anatiny dia tsiranoka mila fandrehitra na «liquide inflammable». Matetika izany dia na lasantsy na alikaola anaty tavoahangy vera, raha ny voalazan’ny famaritana azy hatrany. Matetika hita anaty horonantsary samihafa, na sarimihetsika io na vaovao iraisampirenena, moa ilay tavoahangy somary misy lahany mivoaka, izay hodorana izay vao hatsipin’ireo mpanao fihetsiketsehana any am-pitan-dranomasina any. Natao ho arehitra sy atsipy fa tsy apetraka fotsiny izany ity karazana fitaovam-piadiana iray ity fa tsy apetraka fotsiny ary somary mahagaga ihany, noho izany, ny filazàna hoe hitan’ny mpitandro filaminana ilay izy. Hita tsy nirehitra sy tsy naninon-tsy naninona ve izany nefa nolazaina fa manam-boninahitra teo anivon’ny tafika no atidoha nikotrika izany? Na ny mikirakira fitaovam-piadiana mahery vaika lavitra noho izany aza ve izany tsy ho haina manam-boninahitra toy izany? Manam-boninahitra izany ve moa tsy nandalo ambaratonga samihafa teo anivon’ny tafika? Nambaran’ilay manamboninahitra Kolonely tamin’ny ampamoaka izay nataony farany teo moa, raha tsiahivina, fa nandao handotoana azy ny resaka Coktail Molotov. Tetsy ankilany kosa ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana dia nanamafy fa tena nisy mihitsy ny fikasàna fanakorontanana notarihin’ity Kolonely karohina ankehitriny ity tamin’ny alalan’izany fitaovam-piadiana izany. Izay voalaza izay aloha na izany na tsy izany ny famaritana ny antsoina hoe Coktail Molotov, raha ny voalazan’ny rakibolana.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap