airtel

Politique

14-oct-2026

Datin’ny 14 oktobra

Fototry ny kihon-dalan’ny

Sample post image

antaram-pirenena

14-oct-2026

Ny kaongresim-paritra nivory teto Antananarivo no nandany tsy nisy nitsipaka fa mitsangana ny fanjakàna malagasy sy repoblika malagasy ny 14 oktobra 1958, tamin’ny 11 ora latsaka 10 minitra maraina, raha ny raki-tsoratra momba ny tantaram-pirenena no jerena. Nambaran’ny filohan’ny kaongresy, Norbert Zafimahova, fa nifidy izany avokoa ireo kaongresista miisa 208 nandatsa-bato raha toa ka tsy naneho hevitra ny 26. Nankatoavin’ny kaomisera ambony frantsay, André Soucadaux, tamin’ny alalan’ny lalàna fampiharana na «loi d’annexion» ny 15 oktobra 1958 izany. Lalàna izay namafa ny lalàna tanaty fanjanahantany na «loi d’annexion coloniale» tamin’ny 6 aogositra 1896. Nekena koa ny fahazoan’ny repoblika malagasy sainam-pirenena. 2 taona taorian’izay, ny 26 jona 1960, no nanambaràna avy eo fa firenena mahaleotena i Madagasikara, izay tarihin’ny filoham-pireneny voalohany, Philibert Tsiranana. Ny andininy faha 76 tao amin’ny lalàmpanorenana frantsay tamin’izany fotoana izany sy ny andininy voalohany tanatin’ny hitsivolan’ny Jeneraly Charles De Gaulle no nambaran’ny filohan’ny kaongresy provinsialy voalaza teo fa nanome ny fahefàna ity filoha ity fa nanomboka teo dia teraka ny fanjakàna sy repoblika malagasy, izay manaraka ny lalàmpanorenana tamin’ny 4 oktobra 1958. Notendrena ho filohan’ny governemanta vonjimaika ny filohan’ny repoblika, Philibert Tsiranana. Philibert Raondry no filoha lefitra. P. Longuet no minisitry ny vola sy ny raharahan-toekarena. Gervais Randrianasolo no minisitry ny famokarana. André Resampa no minisitry ny raharaha sosialy. Justin Bezara no minisitry ny angovo sy akoran’afo. Ramangasoavina no minisitry ny fampitaovana. Isan’ny nampiteraka adihevitra be taty aoriana ny nampisafidianana ny vahoaka malagasy na hijanona anatin’ny fivondronana frantsay, izany hoe «communauté française», izy na hisafidy hanana repoblika manokana. Azo ambara ho fototry ny kihon-dalan’ny tantaram-pirenena malagasy ihany koa ity daty tsaroana anio ity satria mampiady hevitra hatramin’izao ny hoe fidiràn’i Madagasikara tamina endrim-panjanahantany vaovao no niandoha tamin’io daty io. Isan’ny fototry ny tolon’ny mpianatry ny oniversite tamin’ny 1972 izany. Mbola nifandray tamin’ny raharaha 1991 ihany, ka niafara tamin’ireny dinika Panorama ireny. Niverina indray iny ny fitakiana fanovàna rafitra sy fitantanana ny 25 septambra 2025 fa tsy olona hitondra fotsiny intsony toy ireo izay hita tamin’ny tolona 2002 sy 2009, izay mbola nezahina novoizina an-kolaka ihany koa ny taona 2018 na teo aza ny fisian’ireo nantsoina hoe depioten’ny fanovàna na depiote 73. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny tantara satria dia herintaona katroka koa izao ny filohan’ny fanavaozana no niniana raha neken’ny tolona nisy tamin’izany fotoana izany hitondra ny tany sy fanjakàna!
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-oct-2026

fa tsy mbola tena mahaleotena

Card image cap
12-oct-2026

Mila mahatsapa fiovana tsara

Card image cap