airtel

Politique

23-mai-2025

Delestazy miha zava-doza

Ny mpitondra dondrona, ny vola lany, ny vokatra aotra...

Sample post image

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

23-mai-2025

izay atao fialana bala lava ny tsy fahampian'ny tosiky ny rano. Henjana ny fatiantoka ara-toekerana aterany ! Mbola vao miditra anaty vanim-potoanan'ny ririnina isika, ary mbola handalo lohantaona ka asa izay hiseho atsy ho atsy. Angaha ihany koa moa tsy hoe: ny 30% amin'ny famokarana ihany no angovo madio ho an'i Madagasikara hatreto fa ny 70% miankina amin'ny solika? Moa tsy manamafy ilay hoe tsy delestazy teknika fa delestazin'ny fahantrana sy delezy ekonomika ka miankina amin'ny vola hividianana solika ny mampandeha azy? Mitombo ny trosa, ary efa manomboka mivoaka rahateo ny hoe: hampidirina ho tompona petra-bola ao amin'ny Jirama ireo manana trosa. Andaniny, mitombo ny fahatezeram-bahoaka, ka taorian'ny teny Tanjombato sy Andraharo ny alarobia hariva teo, dia niroso tamin'ny fidininana an-dalambe ihany koa ny vahoaka teny Alakamisy Fenoarivo omaly takariva. Andaniny, zary fampanantenana poakaty lava ny an'ny Fitondrana ka fomba firesaka izak'izay mihetsika indray ity hoe hametraka Parc solaires 5MW any amin'izay tsidihina ity. Efa betsaka izay resaka natao izay, toy ny nilazana ny oktobra 2024 teny Mandroseza hoe tsy hivoaka ato ao raha tsy mivaha ny olana. Ny talohan'izay moa efa nisy tamin'ny janoary 2022 ny hoe: 6 ka hatramin'ny 8 volana dia ho foana ny delestazy,... Mpandainga, mpanabado vahoaka! Niantso vazaha karamaina lafo dia lafo fa nisy vokany ve? Herintaona katroka ankehitriny ny nandraisan'i Ron Weiss ny fitantanana ny Jirama. Mikarama 710 000 dolara na 3 195 000 000 ariary eo, raha ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana, izay haharitra 4 taona, izany hoe karamaina 798 750 000 ariary izy ao anatin’ny herintaona, 66 562 500 ariary isam-bolana, ary 2 218 750 airary eo isan’andro. Dia aiza isika izao? Tsy resaka fanankinana ny raharaha amin'olon- tokana izay tavandraina hanao fahagagana fa olana avy amin'ny mpitantana tokana fa ny politikam-panjakana mihitsy no tsy mahomby. Raha ny tohana ara-bola manodidina ny 200 tapitrisa dolara isan-taona natao tao amin'ny Jirama ve tsy efa mba nahavitana tetikasa famokarana angovo lehibe na ny tao anaty taom-piasana Filoham-pirenena iray fotsiny aza? Mba tena mifandraika amin'ny famahana olam-bahoaka ihany koa ve ny Fitondrana sa lany andro amin'ny sehoseho ivelany ? Ohatra goavana ny resaka teleferika hoe: raha ny trosa 152 tapitrisa Euros na 800 miliara latsaka natao tamin'io ve tsy nahavitana tetikasa goavana mikasika angovo azo havaozina mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho an'Antananarivo Renivohitra ? Izao sady tsy miodina no mbola handaniana volabe ka tsy misy vokatra ara-toekarena sy ara-tsosialy fa vao mainka mambotry! Miharihary ny tsy fahaizana mitantana. Taratry ny tsy fahaiza-mitantana ny fahapotehan'ireo orinasam-panjakana indrindra niainga 2009 raha tsy hilaza afatsy io Jirama io, ny Air Madagascar,... Izao ve no Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Izao ilay hoe mpitantana mendrika indrindra aty Afrika !? Tena mahamenatra !
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap