Nifarana tamim-pahombiazana teto Antananarivo ny atrikasa iraisam-paritra ho an’ny Laboratoire Océan Indien eo anivon’ny Fondation de l'innovation pour la démocratie, nomena ny lohahevitra : « Démocratie substantive, gouvernance du vivant et durabilité dans les îles de l'Océan Indien », natao ny 27–28 Aogositra 2026 tao amin’ny Radisson Blu. Nanamafy ny maha-sehatra fifanakalozan-kevitra azy eo amin’ny mpikaroka, mpampianatra, mpianatra, ary solontenan’ny mpanapa-kevitra ara-politika sy ny fiarahamonim-pirenena. Nandinihana lohahevitra lehibe toy ny fitrandrahana harena, ny rano, ny maha-olom-pirenena ara-tontolo iainana, ny toeran’ny vehivavy amin’ny tontolo ambanivohitra, ny fitantanana ny zavaboary manan’aina,... Tanteraka avokoa ny fandaharana dimy voalahatra, niaraka tamin’ny famoahana voalohany ny fanadihadiana « Ilakaka, Vivre dans l’ombre des mines artisanales ». Nomarihina tamin’ny famelabelaran-kevitra nataon’ireo tanora avy amin’ny nosy efatra (Madagasikara, Kaomoro, Maorisy, Seychelles), izay efa nandray fiofanana mialoha momba ny fandalinana sy ny fitantanana ny zavaboary velona. Nanamafy ny maha-zava-dehibe sy tsy azo tsinontsinoavina ho an’ny fikarohana sy ny fanapahan-kevitra ara-panjakana, niaraka tamin’ny fanohanana avy amin’ny MESUPRES, IRD (Institut de Recherche pour le Développement), CNRE (entre National de Recherche sur l'Environnement), ary UCM na ny Oniversite katolika. Nisy tamin’ireo mpikaroka tanora no nianatra momba ny fifampiraharahana, adihevitra ary kabary. Maro tamin’izy ireo no nanolotra ny asany nandritra ny famaranana ny atrik’asa, ka namorona tetezana teo amin’ny fiofanana sy ny adihevitra ara-tsiansa sy ara-andrim-panjakana. Manome sehatra ireo olona voakasika ifotony amin’ny lafiny tontolo iainana, ny zavaboary,… Notsiahivin’ireo mpandray fitenenana fa tsy manao politika ny Fondation de l’innovation pour la démocratie. Ny andraikiny dia ny manampy sy manoro lalana ny mpikaroka mba hijery lalina ny olana manan-danja ao amin’ny faritra, ary hanome fomba fijery vaovao ho an’ny mpanapa-kevitra, na eo amin’ny sehatra ara-panjakana na amin’ny sehatra hafa. Ny tanjona dia ny hanampy amin’ny fananganana fomba fiasa sy vinavina hahafahana mandray fanapahan-kevitra mahomby ho an’ny fampandrosoana maharitra, na any ambanivohitra na any an-tanàn-dehibe. Nanamafy ny maha sehatra fisaintsainana sy fifampizarana traikefa, hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny mpikaroka, mpanapa-kevitra ary mpitarika ny fiarahamonim-pirenena, araka ny efa navoitran’i Dr Randianina Radilofe, Mpandrindra ny Laboratoire Océan Indien, talohan’ny fanokafana.
Toky R