airtel

Politique

28-mai-2025

DEPIOTE MILY, VOAFIDY TAO FARATSIHO

Fanjakana marefo no tsy sahy manao fifidianana Sefom-pokontany

Sample post image

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

28-mai-2025

 

fananana sefom-pokontany voafidim-bahoaka sy vonona tena hampandroso fa tsy tendritendrena fahatany. Fanjakana marefo no tsy sahy manao fifidianana Sefom-pokontany izay tena ain’ny distrika iray. Io no nambaran’ny depiote Mily voafidy tany amin’ny distrikan’i Faratsiho raha naneho ny heviny mikasika ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any amin’ny toerana nahavoafidy azy izy. Anisan’ny nosinganiny manokana ny ao amin’ny kaominina Miandrarivo sy Vinaninony Atsimo. Tao anatin’ny iray volana raha ny nambarany dia omby miisa 8 no indray nanjavona tao anatin’ny Fokontany iray ka efa very vola hatrany amin’ny 24 tapitrisa Ar ny tantsaha mpiompy. Raha sefom-pokontany voafidy anefa hoy izy no miaina izany dia mba mahalala ny hataony ka tsy ho raisiny ho fananany sanatria ny vava ny Fokontany hiasany fa miezaka mitady izay hahasoa sy hiarovana ny vahoaka izy. Izany indrindra no antony mahatonga anay hamporisika ny fanjakana hanao fifidianana Sefom-pokontany hoy hatrany izy. Notsiahiviny moa fa nofidiana ny depiote, nofidiana koa ny Ben’ny tanana koa maninona koa moa raha fidiana tahaka izany koa ny Sefom-pokontany izay tena mahita ny fiainam-bahoaka eny ifotony ?
Pati
Legende : Depiote Mily voafidy tao Faratsiho !

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap