airtel

Politique

16-sept-2024

Depiote Todisoa Andriamampandry

Nafana ny hetsika nisaorana ny vahoaka, mitohy ny ezaka

Sample post image

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

16-sept-2024

ny sabotsy lasa teo, izay nanatanterahana ny nofon-kena mitam-pihavanana nentina nisaoran’ity solombavambahoaka ity ny vahoakan’ny Boriborintany faha-6 nanome fitokisana azy indray hisolo tena sy hitondra ny tenin’izy ireo eny amin’ny Antenimiera ao anatin’ny 5 taona manaraka. Natao teny Andranomena Ambohimanarina ny sakafom-piraisana narahana « bal populaire » niarahana nifaly tamin’ny vahoaka. « Isaorana manokana ireo vahoaka rehetra nifidy ny tenanay, ankasitrahana ny fitokisana izay nomenareo hatrany, hanohy ny ezaka izay efa vita isika, ary hiaro ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka. Isaorana ihany koa ny Filoha Ravalomanana tamin'ny fahatongavany nanome voninahitra ny fotoana rehetra. Tsy misy manana ny ampy fa sambatra zay mifanampy”, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Notsofin-drano teny an-toerana ihany koa moa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo mpanolontsaina avy amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, izay mirotsaka hofidiana eto an-drenivohitra. Maro dia maro ny olana eto Ambohimanarina na tsy hiteny afatsy ny krizy ara-tsosialy maro toy ny fahatahan-drano, fahatapahan-jiro,.. 20 andro tsy misy rano, ny jiro tapaka lava, migrevy foana ny olona saingy mivaha kely dia miverina ny olana. Tena sahirana ny olona, ary fantatray fa tsy maintsy ho ben’ny tanàna ianao, ka mba jereo izany », hoy ny Todisoa Andriampandry niantefa tamin’i Marc Ravalomanana. Ny tanimbary tsy mandeha araka ny tokony ho izy, mandeha ny fanotorana tsy ara-dalàna ka asan’ny ben’ny tanàna no mijery an’izany, ka ataovy amin’ny fanaovana azy, hoy hatrany io depiote io. Tahaka izany ihany koa ny làlana, izay ny depiote indray no manao izany kanefa tsy asan’ny ben’ny tanàna. Nangata-tsodrano tamin’ny vahoakan’Ambohimanarina kosa i Marc Ravalomanana, ary nilaza fa hanao izay azony atao ho fanarenana ny Renivohitra, ka tafiditra ao anatin’izany ity boriborintany ity. Betsaka ny ankizy tsy an’asa izay atao izay hanomezana asa azy. Betsaka ny fanarenana mila atao, ka tsy maintsy hatao izay hisian’ny jiro sy rano, fandriampahalemana, fanabeazana, fambolena,… Nilaza fa tena hiasa, ka hatao izay hifanampiana, hiara-hiasa amin’ny vahoaka sy hifanakalo hevitra, tsy haka na iraimbilanja ny any am-paosin’ny vahoaka fa hanao izay hianaran’ny zana-bahoaka, hisakafoanany,… Hanao izay azo atao, ary niantso ireo mpanolontsaina, depiote, vahoaka,… hifanome tànana ao anatin’izany, hoy i Marc Ravalomanana. Hatreto moa, mbola tsy milamina ny firotsahan-kofidiany ka asa hanao ahoana no fiafarany ?
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap