Ho setrin’izay dia tafatsangana ihany koa ny DISTIM vaovao tarihin’Atoa Avotraina Andriamosa izay voatendry ho filohany, arahin-dRandriantsoa Jimmy, filoha lefitra. Tonga nampahafantatra izany tamim-pomba ofisialy ny birao politikan’ny TIM nahitana ny mpandrindra nasionaly sy ny talen’ny kabinetra. Tsy tonga noho ny fivorian-dehibe tsy maintsy natrehiny kosa ny Filoha teo aloha Ravalomanana saingy na izany aza efa nandefa ny tso-drano ho azy mirahalahy voatendry ireto ny tenany mba hahaleo hahalasana amin’ny andraikitra makadiry izay tsy maintsy hosahaniny. Nivoitra nandritra izany ary fa tsy maintsy miainga avy amin’izy roalahy Ben’ny tanana am-perin’asa ireto avokoa ny toro-marika rehetra ho an’ireo mpikatroka TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Tanjona ny hahafahana mandrindra sy mandamina ny fiainan’ny antoko amin’ny ankapobeny indrindra ny hitazonana hatrany ilay toe-tsaina Tiako I Madagasikara izay miroso hatrany mankany amin’ny fampandrosoana.
Pati
Legende : Ny birao politikan’ny TIM tonga nanolotra ny DIS TIM vaovao teny Ankadikely omaly !
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo