airtel

Politique

12-juin-2024

Dr Fidy Bariniaina

«Hanaratsy endrika ny fitondrana ny fitsimbadiky ny vokatry ny HCC izany»

Sample post image

Mitarika ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana izany ny tenako,

12-juin-2024

raha ny vokatra navoakan’ny CENI, hoy ny kandida depiote tao an-toerana, Dr Fidy Bariniaina. Hitako, hoy izy, ireny fanamarihana amin’ny tambazotra ireny nilaza fa ny tenako nialoha sy nandritry ny fifidianana dia nizara zavatra ho fanodinana ny sain’ny olona hifidy ahy. Nizara zavatra daholo ny kandida rehetra. Raha manome fampisehoana namoriana artista maimaimpoana, ohatra, ny kandida iray dia efa naman’ny nizara zavatra izay. Niarahantsika nahita koa ireny fizarana fanamiana na T Shirt sy koveta ary zavatra maro ireny. Mitovy daholo no dikan’izay ny kandida rehetra. Nisy koa ny filazana fa nizara vola isan-tokantrano manerana ny distrika izahay. Hoy aho hoe tena mba mahagaga koa izany. Aiza no hananana vola ho zaraina isan-tokantrano ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana? Nisy niteny koa hoe nizara vola 200.000 Ariary, raha tsy diso aho, isaky ny biraom-pifidianana izahay. Biraom-pifidianana maromaro no voatonona. Isany ny tao Sadabe, Ankazondandy, Ambohitrimahitsy sy ny maro samihafa. Misy biraom-pifidianana miisa 20 mahery avy amin’ireo kaominina ireo. Ahoana no ahafahana mizara volabe ohatran’izany amina biraom-pifidianana be dia be toy izany? Misy olona be dia be ao amin’ny biraom-pifidianana ao ary tsy avy aminay daholo. Hanaiky izany ve ny olon’ireo mpifaninana. Tsy izahay no mifantina ny olona anatin’ireny birao ireny. Ny lesona voaray moa izany dia hoe izay izany no politika eto Madagasikara. Fomban-javatra izany ary vao mainka mampatsiro azy ny fanenjehana anay toy izany. Tsy handray fepetra aho na dia teo aza ny fanalam-baraka imasom-bahoaka nihatra tamiko. Tena hiteny amin’izay kosa aho, raha sanatria mivadika ny valim-pifidianana avoakan’ny HCC satria midika izany fa tandindonin-doza ny demokrasia eto amintsika. Hanaratsy endrika ny fitondrana ny fitsimbadiky ny vokatry ny HCC izany, hoy hatrany ny tenany, satria ho an’ny be sy ny maro dia ny fitondram-panjakana hatrany no manomana fifidianana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap