airtel

Politique

27-mars-2024

Politique

Efa any amin’ny HCC ny dosie fanonganana Manana 48 ora hiarovan-tena i PAN Christine R

Sample post image

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

27-mars-2024

nataon’ireo Etamazaoro politikan’ny fitondrana manenjika sy manao izay hanonganana ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Teo ihany koa ny fikasana hisambotra ny ben’ny tanànan’Antsiranana, izay isan’ireo olom-boafidy tena tohanan’ny vahoaka nifidy azy, saingy tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana. Rehefa zohiana ireo, karazan’ny mandrehitra afo ara-politika ny mpitondra, ka izay sahy mijoro sy miteny, kanefa tsy mitovy fijery amin’ny Fitondrana dia mpanakarontana sy fahavalom-pirenena. Filohana andrim-panjakan’i Madagasikara no niteny, fa tsy filohan’andrim-panjakan’ny TGV-MAPAR, ary nofidian’ny depiote rehetra 100% fa tsy nofidian’ny volomboasary manokana. Izao no voka-dratsin’ilay fitondrana mihevi-tena ho Andriamanjaka sy tompon’i Madagasikara ambongadiny, ka tsy maintsy ny heviny no ekena sy ambara ho marina, fa ny hafa dia mpanakorontana avokoa, ary tonga hatrany amin’ny firesahana finoana aza hoe : izany ve no mivavaka? Efa any amin’ny HCC ny taratasy fitoriana hanalana ny PAN naton’ny IRD tamin’ny alalan’ny Depiote Velontsara Paulbert Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD, ary nomena 48 ora ny PAN hanao fiarovan-tena, raha ny vaovao azo. Handeha hatramin’ny farany ary ve ilay fikasana hanongana tsy ho depiote sy filohana andrim-panjakana ? Mbola haneho ny maha fitsarana voabaikon’ny fitondrana volomboasary ny HCC ka ny tany aloha tsy nahomby avokoa ny fanonganana ireo depiote notorian’ny antokony ho nivadika fa amin’ity ho azo raisina fa tsy mitombina? Mbola hahazo maro an’isa na « majorité » ao Tsimbazaza ve ny fanonganana filohana andrim-panjakana eo anatrehan’ireo maro sosotra, eny fa na ireo niara-dia tamin’ny mpitondra aza ? Inona tamin’ny fanambaran’i PAN tokoa moa izany no tsy marina : ho tahaka izao tokoa ve ny firenena 15 taona aty aoriana tena tolona madio sy revolisionina hivoaran’ny Malagasy tokoa no natao ? Tena miadam-pinaritra ve ny Malagasy sa miaina ao anatin’ny hirifiry sy fahantrana lalina ? Tena manana fahefa-mividy araka ny tokony ho izy sa miaina ambanin’ny 4000Ar isan’andro ny 75%n’ny vahoaka, raha toa ka 2,15 Dolara na 10 000Ar isan’andro isan’olona no fenitra namaritan’ny Banky iraisam-pirenena? Tena tony sy milamina ve ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires” eto ? Tsy potika ve ny seha-pihariana lavanila ? Tsy ho tapitra simba ve ny làlana manerana ny Nosy ?


Mandeha ny feo fa tratry ny tsindry ara-diplaomatika sy jeopolitika goavana ny fitondrana. Misy resaka hatramin’ny fanerena mivantana na ankolaka ny Praiminisitra Ntsay Christian hany ka toa any amin’ny PAN no hamatrarana? Ny Praiminisitra izay efa tratry ny fitsipaham-pitokisana ny desambra 2022 saingy natsefotra tamin’ny didin’ny be sandry teny an-dalana. Hanao ahoana ny ho fivoaran’ny politika amin’ity indray mitoraka ity, raha tena mitombina io tsindry hanesorana ny Praiminisitra io? Toky R
 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Card image cap
03-juin-2025

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

Card image cap
03-juin-2025

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,

Card image cap
03-juin-2025

Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,

Card image cap
03-juin-2025

Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,

Card image cap
03-juin-2025

Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.

Card image cap