airtel

Politique

18-avril-2024

Fahasahiranana nikarakara taratasy

Naneho ny alahelony ny AREMA

Sample post image

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

18-avril-2024

hoy ny antoko politika AREMA. Na ny nikarakara ireo taratasin-ketra aza, hoy ny sekretera nasionaly lefitra misahana an’Antananarivo, Pr Ange Andrianarisoa, dia nahitana izany. Naharay antso an-tariby maro tany amin’ny faritra izahay tany am-boalohany, hoy izy, nilaza fa mbola tsy nahazo alalana ny sampan-draharahan’ny hetra hanome ilay «211 bis» dia hoe inona no atao? Izahay taty Antananarivo moa namaly hoe miandry izany fa nisy ny sasany ny 7 na 8 aprily farany iny vao nahazo. Ny nampalahelo dia ny naheno hoe nisy notakiana 320.000 Ariary ny ankamaroany. Ny sasany tany Mahanoro tany hoe 400.000 Ariary. Ny tany Morombe toa hoe 600.000 Ariary dia hoe izay, hono, vao mahazo ilay «211 bis» ka miantso ny fitondram-panjakana izahay hanao fanadihadiana hoe mety misy antony manokana ho nahatonga izany ve? Na teo aza ny ezaka nataonay nitondra mpiraki-draharaha na «huissier» nanamarinana fa tsy noraisin’ny tahirim-bola na «trésor» izahay dia tsy noraisin’ny tany amin’ny HCC izany. Nolavin’ny OVEC. Nandalo tany amin’ny CENI dia niteny ny tao hoe tsy mahavaha olana izahay fa any amin’ny HCC ianareo manana 48 ora. Naka ny fanamarinan’ny mpiraki-draharaha tany amin’ny tahirim-bolam-panjakana moa izahay dia io no nalefanay ho dosie nankany amin’ny HCC. Ny nampalahelo dia hoe nisy kandida ihany afaka nandoa vola izay nasain’ny HCC nandoa vola tany amin’ny «trésor» ary ireo angamba izany no nomen’ny HCC baiko handray izany. Voamarinay tao amin’ny tranonkalan’ny HCC moa ireo hoe nandoa vola kanjo nony nivoaka moa izany ny fanapahana dia lisitrana kandida miisa 24 tamin’ireo 28 napetrakay no tsy noraisina. Kandida miisa 4 no an’ny AREMA izany izao dia ny eny amin’ny boriboritany faha 6 eto amin’ny faritra Analamanga, misy koa ao Toliara I, Vangahindrano, Miandrivazo. Efa namoaka iny fanapahana iny moa izany ny HCC dia manara-dalàna izahay, hoy hatrany ny AREMA naneho ny alahelony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap