airtel

Politique

23-sept-2026

Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka

Natokana ho andro

Sample post image

tsy iasana ny 25 septambra

23-sept-2026

Natokan'ny Fitondram-panjakana ho andro tsy hiasana nefa handraisan-karama ny 25 septambra 2026, araka ny didim-panjakana 2026-2212 navoakan’ny fitondrana omaly 22 septambra 2026. Natao io ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy sy niharam-boina nandritra ny hetsi-bahoaka nitranga tamin’ny 25 septambra 2025. Io daty io dia lasa marika manan-tantara, naneho ny feon’ny vahoaka sy ny tolona ho an’ny fanovana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampanana Asa ary ny Asam-panjakana, hisy mandritra io andro io ny hetsika fahatsiarovana hotanterahina eto Antananarivo sy manerana ireo faritra dimy. Ireo hetsika ireo dia natao hanomezam-boninahitra ny fahatsiarovana sy hanamafisana ny firaisan-kina eo amin’ny vahoaka. Maneho ny fanekena ara-panjakana fa ny hetsi-bahoaka tamin’ny 2025 dia nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainam-pirenena. Tsy vitan’ny hoe manome lanja ny fahatsiarovana, fa manamafy ihany koa ny fandraisana andraikitra sy ny firaisan-kina ho fototra iorenan’ny fiarahamonina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-sept-2026

Tsy tongatonga ho azy ny nahatafiditra

Card image cap
23-sept-2026

no hanamarihana ny fahafahana tamin'ny geja

Card image cap
22-sept-2026

hiakatra Fitsarana

Card image cap
22-sept-2026

Efa any New York ny ampahany

Card image cap