airtel

Politique

06-mai-2024

Fampandrosoana ny fampianarana

Kabary ambony vavahady hatreto ny an’ny mpitondra

Sample post image

Kabary ambony vavahady hatreto ny an’ny mpitondra raha ny mikasika ny fampandrosoana ny fampianarana sy fanabeazana no asian-teny.

06-mai-2024

Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa moa no tena voakasika mivantana raha miresaka ireo sehatra ireo fa saika hita mamerimberina hatrany ny fomba fiteny mahazatra hoe «Ny fianarana no lova tsara indrindra.» foana koa anefa ireo mpitondra fanjakana isan-tokony rehefa misy fotoana mba hoe mizara boky vitsivitsy ho an’ny mpianatra amina ambaratonga ambany na fototra na koa mitokana itony lazaina fa sekoly manara-penitra itony tao ho ao. Betsaka ny adihevitra teraka teny anivon’ireo mpikirakira sy mpanara-baovao rehefa mahita ireo lazaina fa EPP na lisea manara-penitra amin’ny faritra sasany izay mitete na koa manara-pofona ny toeram-pivoahana ao aminy. Toy izany koa ireo hita ho misy fitresahana sahady ary mampametra-panontaniana hoe «izao ve izany ilay lazaina fa manara-penitra?». Tsy mbola mila miresaka akory ireo zaza malagasy mandia kilaometatra maro na mila mita rano toy ny any Bekily na Ikongo sy Kandreho mba hamonjy sekoly mitafo lanitra akory aza dia efa samy resy lahatra ny olompirenena fa miha tsinontsiniavin’ny fahefana mpanatanteraka hatrany ankehitriny ity fampianarana sy fanabeazana eto amin’ny firenena ity. Ireny izao namarana ny herinandro teo ny fijalian’ireo mpianatry ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso, sy ireo mpianatry ny politekinika eny Vontovorona indray nefa dia nitaky vatsim-pianarana mitentina 48.400 Ariary isam-bolana fara-fahabetsany, raha taona faha 4 na faha 5 ilay mpianatra mpikaroka. Tsy vitan’ny hoe 3 na 5 volana na mbola mihoatra izany hatrany aza ny fahataran’ny fahazoan’izy ireo izany dia voatery hampifandonana aminy amin’ireo lazaina fa mpitandro filaminana ihany koa. Tsy vitan’ny hoe sempotra fotsiny ireo mpianatra mpikaroka fanonon’ny vavan’ny mpitondra fa hoavin’ny firenena rahampitso fa tena maratra sy safotra mihitsy ary misy fotoana aza moa voasambotra sy voatazona am-ponja vonjimaika ny sasany. Izany ve izany no atao hoe fanomezan-danja ny fampianarana sy fanabeazana na koa hoe fitsinjovana ny hoavin’ny firenena?
NIHEN-DANJA…
Mitsetsetra sisa ireo ray aman-dreny niaina tao anatin’ny repoblika voalohany nampahatsiahy fa mbola mpianatry ny kolejy ry zareo taloha dia efa nahazo izany vatsim-pianarana avy amin’ny fitondram-panjakana izany rehefa fa tena nahay na koa voaporofo fa tena sahirana. Ny taona 1977, nahazo tapakilana sidina amin’ny fiaramanidina TNR-DIE na Boeing 737 mandroso ny vatsim-pianarana, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Amin’izao fotoana izao izany 24.200 Ariary isam-bolana ho an’ny mpianatra mpikaroka, taona voalohany, ary 6.050 Ariary aza ho an’ireo namerin-taona. 66.000 Ariary kosa ny fampitaovana na ilay antsoina hoe «équipement» izay raisina in-dray mandeha monja ao anatin’ny taom-pianarana, raha ho azo ara-potoana daholo moa izany, mazava ho azy, izany rehetra izany. Ny an’ny sinoa anefa ny fitondram-panjakana mihitsy no miantoka ny ilaina manontolo raha toa ka misy mpianatra mpikaroka iray na maromaro heverina fa nahavita fianarana sy fikarohana mety hitondra fampandrosoana ilay firenena na dia ilany fivoahana an’i Chine aza izany, hoy ny mpampianatra mpikaroka malagasy nahazo fiofanana avy any an-toerana, Dr Ny Hasina Ratsimbazafy, nampahatsiahy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap