Notsipahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena HCC ho tsy azo raisina na "irrecevable" ny fitoriana napetraky ny antoko politika KINTANA tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Ralainirina Marcel izay nangataka ny hanamafisana fa misy sakana ara-panjakana “blocage institutionnel” ka nanoro hevitra ny hanafoananan’ny Filoham-panjakana ny Antenimierampirenena araka ny andininy faha-78 amin’ny lalàmpanorenana. Nampahatsiahivin’ny HCC tao anatin’ny setriny nataony omaly 26 aogositra 2026, fa tsy afaka mitory mivantana ny antoko politika, ka tsy nahafeno fepetra ho afaka manao fitoriana amin’ny HCC ny KINTANA. Nanazava ihany koa ny HCC fa ny fahefana hanafoana ny Antenimieram-pirenena dia an’ny Filohan’ny Repoblika, araka ny Andininy faha-60 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary tsy anisan’ny andraikiny ny manoro hevitra ny filoha amin’izany. Noho izany ,nolavina noho ny antony roa lehibe ny fitoriana : tsy fahampian’ny maha-ara-dalàna ny mpitory sy ny votoatin’ny fangatahana izay tsy mifanaraka amin’ny fahefana sy andraikitry ny HCC. Ity fanapahan-kevitra ity dia manamafy indray fa voafetra ny fahafahana mitory amin'ny HCC izay misy sokajin'olona toy ny filohana andrim-panjakana. Voafetra ny andraikitry ny HCC izay miantoka ny fanaraha-maso ny fampiharana ny Lalàmpanorenana. Tsy afaka manapa-kevitra amin'ny raharaha politika toy ny fanafoanana ny Antenimieramiprenena izay fahefana manokana an’ny Filoham-pirenena,... Na izany aza, tantara mety niavaka ny fidirana an-tsehatry ny HCC tamin'ny alalan'ny fametrahana ny fifanarahan'andraikitra na "pacte de responsabilité" tamin'ny taona 2015, tamin'ny alalan'ny fanapahan-kevitra laharana faha 24-HCC/D3 tamin'ny 12 jona 2015, taorian'ny fangatahan'ny depiote ny fanonganana ny Filoham-pirenena tamin'izany fotoana izany. Nisy ny fitoriana sy fitakian'ireo Solombavambahoaka maro tamin'ny taona 2015 izay nitaky ny fialan'ny Filoham-pirenena.,..saingy navoitra ny hoe mba hampanjakana ny fitoniana politika sy handaminana ny disadisa teo amin'ny Antenimierampirenena sy ny Andrim-panjakana mpanatanteraka, dia noraisina izany. Betsaka ireo mpahay lalàna sy mpanao politika no nitsikera io fanapahan-kevitra io ho toy ny fomba "nanalokalofana" na fanoloana ny Lalampanorenana tamin'ny fifanarahana politika, ka niteraka adihevitra lavareny teo amin'ny tantaran'ny politika teto Madagasikara. Lalan-tsaina fiarovana ny fitoniana eto amin'ny firenena kosa no navoitran'ny HCC tamin'izany.
Toky R