airtel

Politique

28-mai-2025

Fanjakana Rajoelina any Dubaï

« Tongava any aminay fa any be tany, harena an-kibon’ny tany,… »

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

28-mai-2025

Madagascar-Dubai Business Forum », izay nambaran’ny Fitondrana malagasy fa hetsika lehibe manamarika fiatombohan’ny fiaraha-miasa ara-toekarena lalina sy stratejika eo amin’i Madagasikara sy ny Emirà Arabo Mitambatra. Miisa 79 ireo mpandraharaha ara-toekarena Malagasy voalaza fa miatrika an’io, raha toa ka 120 ireo mpampiasa vola Emiratis. “Vonona i Madagasikara. Vonona handray ireo mpampiasa vola avy any Emirà, hanangana fiaraha-miasa fandresena iombonana, ary hampiseho amin’ny tontolo ny tanora feno talenta sy ny harena ananantsika.”, hoy i Andry Rajoelina izay marihina fa isan’ny miara-dalana aminy hatrany ireo zanany roalahy izay efa niditra amin’ny fandraharahana ny iray. Asa inona no anjara toeran’izy ireo ao anatin’ny delegasionina ? Raharaham-panjakana no atao sa bizim-pianankaviana ? Naneho i Andry Rajoelina fa mikendry ny hampivelatra ny indostria sy hanodina ny loharanon-karena eto an-toerana i Madagasikara, hoenti-mamaly ny tinady anatiny sy manondrana amin’ny tsena ivelany. Nasongadina fa manana tany madio mbola tsy voavoly, azo hivelarana amin’ny angovo azo havaozina, tanora mivelatra amin’ny teknolojia, ary « biodiversité » miavaka i Madagasikara, izay mety ho hery lehibe ho an’ny sehatry ny fizahantany sy ny famokarana maharitra. Voizin’i Andry Rajoelina fa « ity forum ity dia dingana ara-toekarena vaovao hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Emirà Arabo Mitambatra, amin’ny fananganana fiaraha-miasa lavitr’ezaka miorina amin’ny fahatokisana sy vina iraisana.” Naneho fahavononana hanamafy ny fifandraisana amin’i Madagasikara ny Dubai Chambers, ary nanamarika manokana ny fahafahana ara-barotra amin’ny sehatry ny agroalimentaire, izay sehatra tena manan-danja ho an’i Dubai satria 80%-n’ny sakafo ilainy dia mbola avaratra avy any ivelany, hoy ny tatitra. Nomarihina ihany koa fa anisan’ny sehatra laharam-pahamehana ho an’ny fampiasam-bola ny harena an-kibon’ny tany, angovo, indostria fanodinana lamba, ary fampandrosoana ara-bola. Manamafy ny Fitondrana fa misokatra ny varavarana ho an’ny vahiny, vonona hanome tany, manokatra làlana ho an’ny bizina sy fandraharahana ary fampiasam-bola,… Zava-dehibe ny fiantsoana ny vahiny saingy tsy hisy vahiny hoavy hanasoa antsika noho ny fitiavana antsika, fa hibizina sy hitady tombony. Betsaka no mitsiriritra ny harenantsika ka ny volamena ohatra dia an’arivo taonina isan-taona no miondrana tsy ara-dalàna any Dubaï. Mmbola hamafisina fa tsy misy afaka tena hampandroso ny Firenena afatsy ny Malagasy fa moa ve tena homena lanja sy sehatra ve ny mpandraharaha Malagasy ? Tena tsy afaka mampiroborobo ny famokarana sy fampiasam-bola eto ve ny Malagasy raha tohanana ka hatramin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo voizina aza mbola ny Sinoa sy ny Israelianina ary ny Arabo no antsoina ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap