airtel

Politique

12-oct-2026

Fanovana ny

fomba fitantanana ny Firenena.

Sample post image

Mila mahatsapa fiovana tsara

12-oct-2026

eo amin’ny fiainany ny vahoaka

Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, dia nanolotra ny tatitra momba ny asa natao tato anatin’ny volana vitsivitsy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Governemanta.Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Nisy ny tetikasa natomboka. Nisy ny vokatra nambara. Tokony ho ekena sy hojerena izany.Saingy mbola misy fanontaniana lehibe , hoy i Zaza Ramandimbiarison, mpahay toekarena sady efa praiminisitra lefitra teo aloha, dia ny hoe : Inona marina no fiovana tsapan’ny ankamaroan’ny Malagasy eo amin’ny fiainany andavanandro ? Satria tsy ny isan’ny fanapahan-kevitra noraisina na ny isan’ny tetikasa vita ihany no tokony handrefesana ny tena vokatra. Fa tokony ho hita koa izany, hoy izy amin’ny asa vaovao misy, ny fidiram-bolan’ny olona mihatsara, ny fahazoana rano sy herinaratra, ny kalitaon’ny tolotra omen’ny Fanjakana ary ny fahafahana vaovao ho an’ny tanora.Ankehitriny, mila mpitondra mahay mamadika ny fanapahan-kevitra ho vokatra hita maso sy maharitra i Madagasikara. Nametraka fanontaniana hafa i Zaza Ramandimbiarison hoe : tena mizotra mankany amin’ny fanovana ny toekarena, fampandrosoana ny faritra ary famoronana asa ve isika ? Sa mbola miverimberina ihany ireo olana efa niainantsika hatramin’izay, na dia eo aza ny ezaka atao ?Tsy ny hoe manao fotsiny intsony no fanamby. Fa ny manao izay tena mitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy, hoy izy.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

teto, nofy ratsy ho azy mianakavy…

Card image cap
09-oct-2026

Miroso hatrany amin’ireo asa

Card image cap
09-oct-2026

Manentana ny herivelona rehetra hifanatona

Card image cap
09-oct-2026

hamafisina ny fanorenana!"

Card image cap