nijapy ireny tosika fameno sy vatsy tsinjo ireny, hoy ny kandida depiote sady depiote am-perin’asa ao amin’ny boriboritany faha 5, Fetra Ralambozafimbololona. Nataony, hoy izy, izay azony natao rehetra. Efa nisy firaisana tsikombakomba tao tamin’ny fanendrena ireny mpikambana amin’ny biraom-pifidianana ireny hampidiran’olona handatsa-bato fotsiny fa tsy hifidy. Maromaro no tratranay. Ny mampalahelo dia tonga hatramina fandratrana sy fikasihan-tanana. Maniraka bokona hozatra, mamono, manapotika fananan’olona, maka telefaonin’olona rehefa alaina sary. Asa na ny ahy teny Mahamasina no atao hoe «flagrant délit», izany hoe heloka tratra am-bodiomby, na izany. Nanontaniana izy hoe avoahay ary ny didim-panjakana mampiseho fa nalainao hanaovana kianja manara-penitra ny tany eny Tsarahonenana, tetikasan’ny filoham-pirenena, fa tsy nisy hatramin’izao fotoana itenenantsika izao. Nandratra olona izy tamin’izany fotoana izany sy amin’izao fotoana itenenantsika izao. Bahanany ny lalana. Izay misisika mbola andeha dia vono avy hatrany. Nisy teny amin’ny «Gare routière». Be dia be ny saoferana taksiborosy sy fiarakaretsaka lasibatra. Nisy teo amin’ny fiolanana na «rond point» Nanisana, akaikin’ny ambasadin’i Sina, nandritry ny fampielezankevitra satria tsy sasatry ny nisiahin’ny olona izy tamin’izay nalehany rehetra. Efa azony an-tsaina izany fa ho resy izy satria efa leo azy ny mponin’ny boriboritany faha 5. Tsy mahazaka tsikera dia mamono. Ny ataony rehetra no ailiny aty amin’ny mpanohitra ka raha mihevitra azy ho mafy be izy dia andao hanao «Face à face» na fifanatrehana sy adihevitra. Ento ny porofonao! 261 no isan’ny birao fandatsaham-bato eto amin’ny boriboritany faha 5. Mandresy izahay avy aty amin’ny TIM, Firaisankina, amin’ny 161. Ny 100 no nandreseny. Ny tena loza dia ny nitranga teny Soavimasoandro. Tonga avy any ny andiam-behivavy mpiara-miasa aminy tonga dia manitsy amina birao fandatsaham-bato iray. Asa izay nataony tao fa teny ratsy variraraka eraky ny foibem-pifidianana Soavimasoandro. Azonay feo izany. Andro efa tamin’ny 5 hariva tany. Navoakan’ireo polisy sy zandary ary tafika tao ry zareo satria nanankorontana dia tsy levon’ny vavoniny. Hatramina zaza 2 taona lasibatra. Ratrainy ny tendan’ny olona. Misy sary izany. Mbola sahin’ilay solombavambahoaka nefa ny milaza fa izahay no nanankorontana. Misy porofo, sary, horonantsary mampiseho olona manokatra zavatra mihidy na «scellé» aminay aty. Izany dia hita tamina fokontany maromaro alohan’ny nidirana tao amin’ny SRMV. Mazava ho azy fa hitory any amin’ny fitsarana izahay. Manantena izahay fa handray ny andraikiny ny CENI sy HCC rehefa manao fanadihadiana ary mahita ireo porofo. Mangataka ny fitsarana sy fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izahay mba hitsara araka ny lalàna sy ny rariny. Mikasika ny sary miparitaka mampiseho anay sy depiote Naivo Raholdina mifandray tanana dia nasainy nalaina iny sary iny rehefa nitondra olona ao amin’ny antokony manana olana ara-tany tao aminy aho fa izaho tsy mihavana amin’ny mpiatsaraivelatsihy sy mpandefina ivoho, hoy hatrany ity depiote ity, nanamafy ny antso «Face à face».
J. Mirija
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy
Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,
Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.
Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,