airtel

Politique

28-nov-2023

Fiampangana ho mpanonganam-panjakana

Kolonely roa nadoboka any Tsiafahy

Sample post image

Miha mafana hatrany ny toe-draharaha politika ! Kolonely miisa roa eo anivon’ny tafika no nadoboka

28-nov-2023

vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy raha ny vaovao azo sy niparitaka hatry ny omaly alina. Voarohirohy ho nikasa hanongam-panjakana amin’ny fitarihana miaramila hikomy mba hanakorontanana ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, ka taorian’ny fiakarany fampanoavana omaly dia nadoboka am-ponja vonjimaika. Tsara ny manamarika, fa ny 15 novambra no efa nisy ny vaovao nilaza fa manara-maso akaiky ny fihetsiky ny jeneraly sy kolonely vitsivitsy ao anatin’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena ny mpiondra Fanjakana sy ny Lehiben’ny mpitandro filaminana. Nambara fa mikotrika fanakorontanana sy miray tendro amin’ireo kandida manohitra ny fifidianana. Taorian’ny fifidianana, niparitaka ny resaka nilaza fa misy manamboninahitra miisa telo izay nisy anarana nivoaka mihitsy tamin’izany, ka jeneraly ny iray ary kolonely miisa roa, notononina hatramin’ny andraikiny. Nambara tao anatin’ny resaka fa voasambotra ka hatao famotorana eny amin’ny Section des recherches criminelles Antananarivo na Sampana misahana ny heloka Bevava ny jeneraly lefitra ambin’ny fibaikoana ambony iray sy ireo Manamboninahitra kolonely miisa 2 avy ao amin’ny Tafika Malagasy. Nanao fanambarana sy fandisoam-baovao avy hatrany ny zandarimariam-pirenena ka nanamafy fa diso izany. « Fandikan-dalàna ny fanalana baraka sy ny fanelezana vaovao tsy marim-pototra koa tsy maintsy andraisana fepetra3, hoy ny zandarimariam-pirenena. Nambara fa efa eo am-pelatanan'ny Sampana misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka na « Service de Lutte Contre la Cybercriminalité » ny raharaha. Nomarihina fa efa fantatra avokoa ireo nahavanona izany hatramin'izay nanaparitaka. Herinandron aty aoriana, nivoaka indray io ny vaovao fa dia kolonely roa ambara fa mikasa hikomy hanongam-panjakana no nadoboka vonjimaika any Tsiafahy. Tena zavatra goavana io, ary misy lanjany goavana ara-politika. Tena stratejika be ka andrasana ny fanazavana ofisialy sy tatitra momba izany. Hijanona eo sa mbola hisy olon-kafa sivily na miaramila ho tafiditra ao anatin’ity raharaha ity ? Taorian’ny raharaha Apollo 21 izay nambara fa nisiana fikasana hanongana an’ingahy Andry Rajoelina izay nanenjehana manamboninahitra sy sivily izany, dia ity indray no tranga mitovitovy aminy tao anatin’ny fifidianana nafana sy mialohan’ny handraisany fahefana raha handeha araka izay ny toe-draharaha. Hafahafa ny sary politika mitranga, izay tsy azo hamaivanina, ary manamafy fa tena anatin’ny hotakotaka politika i Madagasikara. Hanao ahoana ny tohiny ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap