airtel

Politique

06-juin-2024

Fifanandrinan’i Lalatiana sy Mily

«Tsy valim-babena feno fihatsaram-belatsihy no ilain’i Faratsiho »

Sample post image

Taorian’ny fandaharana manokana nataon’ny kandidam-panjakana tao Faratsiho Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy,

06-juin-2024

dia nitondra setriny sy fanazavana tamina fahitalavitra ihany koa ny kandida Ramilison Nomenjanahary na Mily omaly. Ity farany izay tondroin’io Minisitra teo aloha io ho nagala-bato, nizara vola, nanao herisetra,… Nohamafisiny fa naharay ny PV 200 amin’ny 200, ary mitarika izay ireo, nanome fitokisana ny vahoaka. Misy elanelana 2368. Ny « PV de clôture » avy amin’ny SRMV nifarana tamin’ny sabotsy dia namoaka fa nahazo vato 22897 izahay, ary ny 20546 ny kandidam-panjakana ka manome elanelana 2251, izany hoe nisy fihenana kely, hoy izy. « Nametraka ny safidiny ny vahoaka, ary nametraka ny olona azony antoka hitondra ny feony. Ny fifidianana dia ny vahoaka no omen’ny lalàna fahefana, ka ianao milatsaka dia tsy afaka misora-tena ho matanjaka. Rehefa tsy ekenao fa mieritreritra hanao tsindry sy haneho hery any amin’ny HCC, dia tsy ekena izany, matoa ny vahoaka nifidy dia zo fototra, ka tokony hanaiky an’izay. Azy ny fahefana, ny ben’ny tanàna, filoham-pokotany 120, nizara simenitra, vy, motos,… kanefa lasa ahodina ilay vaovao. Milaza fa tsy manan-tsiny sy milaza ho lasibatra amin’ny haino aman-jery. Ny miaramila anefa nalefa tany, ny delege azy,… », hoy Ramilison Nomenjanahary, izay naneho fa tsy zakan’ny ankilany ilay faharesena, dia izy mipetraka ho lasibatra. « Nitaiza vahoaka izahay, tsy olona vao tonga androany, tsy iray volana na roa volana lasa dia hoe andeha hirotsaka hofidiana depiote. Manana solomaso be dia be ny vahoaka, jereny amin’ny lafiny rehetra toy ny fitondran-tena ianao, izy no nisafidy na betsaka aza ny fanasoketana samihafa », hoy hatrany ity kandida ity. Efa kandida depiote tamin’ny 2018, ary 1500 teo ny elanelam-batony tamin’ny kandida Papasolo izay efa nodimandry. Efa lany tamin’ny ben’ny tanàna fa nofoanana ny fifidianana, dia izao ve mbola kasaina hofoanana ihany koa ny safidim-bahoaka, ka nilaza tsy hanaiky hatramin’ny farany ity kandida ity. 6 amin’ny kaominina 9 no nandresen’ity kandida ity raha ny nambarany, ary ny kaominina 2 tadiaviny hovonoina ny vato. Lainga, hoy izy, ny filazana fa manana hery afaka hangala-bato ny kandida avy aty amin’ny fanoherana, ka nilazany fa propagandy ny fampielezan-kevitra fa tsy fampielezan-kentana, izahay nitaiza vahoaka fa izy nieritreritra fa handresy amin’ny fizarana motos sy bisikileta, hoy hatrany ity kandida ity. Tsy hoe : tsy lany tany Antsirabe na tsy lany tany amin’ny toeran-kafa dia hiazakazaka any Faratsiho hoe : hanao valim-babena. Firy taona ianao minisitra dia inona no nataonao ho an’i Faratsiho? Valim-babena feno fihatsaram-belatsihy izany ka tsy izany no ilain’ny vahoakan’i Faratsiho, hoy ity kandida ity, izay nanamarika, fa tsy manana olana amin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy, fa aleo hajaina ny safidim-bahoaka.
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Card image cap
03-juin-2025

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

Card image cap
03-juin-2025

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,

Card image cap
03-juin-2025

Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,

Card image cap
03-juin-2025

Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,

Card image cap
03-juin-2025

Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.

Card image cap