airtel

Politique

20-mars-2024

Fifidianana depiote eny Atsimondrano

Hiverina ny sary tamin’ny 2019 ho an’ny TIM ?

Sample post image

Henjakenjana ny adihevitra sy adivarotra politika amin’ny fanolorana kandida amin’ny fifidianana depiote,

20-mars-2024

na ho an’ny ankolafin’ny mpitondra na ny an’ny fanoherana. Misamoaravoara ireo mpikatroka TIM avy amin’ny antoko lehibe iray ao Atsimondrano manoloana ny nanolorana ho kandida an-dRtoa Raharimanarivo Voahangy ho kandidan’ny Vovonana Firaisankina. Misy ny maneho fa efa io no tapaka dia tokony hajaina ny fitsipiky ny antoko. Ao ihany koa anefa no tsy mitovy fijery amin’izany noho ny toe-javatra efa nitranga tany aloha. . Raha ny fanambarana nataon'ny eny ifotony ao Atsimondrano (base) tokoa mantsy, ny 03 Martsa 2024, izany hoe talohan'ny fanendrena, dia milaza fa ny depiote TIM am-perinasa voafidy tao Atsimondrano sy ny ben'ny tanànan'Ampitatafika no tohanan'izy ireo amin'ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao. Fanambarana nosoniavin'ny rafitra ifotony ahitana ny olom-boafidy, DisTim, ComTim, FokTim, FemmeTim ary JeuneTim, hoy ny fanamarihana. Tsy ilay olona no tsy mety amin'ireo "base" ireo, fa ny zavatra nataony raha ny voalazan'izy ireo. Mandeha ny fampahatsiahivana, fa rehefa tsy natolotry ny antoko ho kandida izy ny taona 2019, dia nivadika ary nandeha tamin'ny anaran'ny Vovonana Dinike. Avy eo dia nanohana ny kandida Naina Andriantsitohaina natolotra ny antoko TGV ho ben'ny tanàna an'Antananarivo renivohitra, ny taona 2019, ary nanao fanambarana mihitsy tamin'izany, hoy hatrany ny andaniny. "Aleo izay natolotray "base", hita fa mahavita, tsy mbola nivadika tamin'ny antoko, no tendrena. Fanajana rahateo ny fitsipiky ny antoko izany, hoy izy ireo. Milaza mihitsy moa ireo mpitarika TIM mitsipaka io fanapahan-kevitra io, fa mitarika ny fahapoteha ary mivaona amin'ny tanjona hoe "hanohy ny tolona" ny zava-misy ary raha izao dia tsy ho tratra ny maro an'isa eny amin'ny Antenimierampirenena ». Milaza ireo fa ny depiote Alain Ratsimbazafy no mamaly ny tarainan'izy ireo, mitondra vahaolana ara-tsosialy, mitondra fampivoarana eo amin'ny sehatr'asa maro, nijoro niaro ny tombotsoam-bahoaka tamin’ny endriny maro,... Milaza noho izany ireto farany, fa sao tsipy hoditr'akondro hamelezana indray ny antoko TIM na misy ny manao kolikoly na koa fitaka bevava ataon'ny olom-bitsy amin'ny mpanapa-kevitra no mitranga? Ho an'ny mpikambana hafa misalasala indray dia miteny hoe "paikady avo lenta angamba no misy, ka any amin'ny vokatra no hitsarana azy". Na izany na tsy izany, dia sary mpitranga amin’ny politika ny tahaka izao, saingy misy no maneho fa mety hanimba zavatra ny tsy fitoviam-pijery, hoy ny fanamarihana. Hiverina ve ny sarin’ny 2019 ka hirotsaka ny depiote am-perin’asa na tsy amin’ny anaran’ny antoko misy azy aza noho ny fiheverany sy fahatsapany fa mbola betsaka ireo ao an-damosiny ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap