airtel

Politique

28-janv-2025

Fifidianana PCM-CUA

Nisy mpanolontsaina novidiana 6 hetsy Ar...

Sample post image

Nanana ny maro an'isa ny mpanohitra kanefa nahoana no tsy lany ny kandida natolotry ny

28-janv-2025

mpanohitra tamin'ny fifidianana Filohan'ny Filankevitra monisipaly? Fanontaniana nipetraka io teo anatrehan'ny tsy fahalanian'i Faniry Alban Rakotoarisoa natolotry ny Firaisankina. Mandeha ny tombatombana samihafa, raikitra indray ny fitanisana fa mpanohitra ny mpanohitra ny hafa, ka isan'ny enjehina mafy sy hanilihana ny rihitra ny Tia Tanindrazana izay manana mpanolontsaina 7. Hiverenana soketaina ho jodasy ny Filoha mpanorina ny Tia Tanindrazana. Ho an'ireo mpanolontsaina lany tamin'ny anaran'ny Tia Tanindrazana anefa dia nazava ny toromarika fa manohana ny firotsahana na "candidature" avy amin'ny fanoherana. Latsa-bato miafina no nandeha izay ny IRMAR no nangataka azy, manan-kery raha ny 1/4 ny mpikambana no mangataka. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra hoe: satria 20 ny Firaisankina dia nifidy an'i Faniry Alban Rakotoarisoa avokoa, fa ny hafa avy hatrany no namadika. Azo eritreretina avokoa ny tranga rehetra na avy amin'iza na avy amin'iza. Misy ny mpitarika antoko ohatra, namoaka serasera toa te hiteny fa madio sy mangatsakatsaka sy naneho hoe: iza no manao "deal" amin'izay ary iza no manao "mission" ho an'iza? Nofafana izany avy eo izay nampametra-panontaniana hoe: nahoana? Mandeha ihany koa ny fanamarihana fa misy mpanolontsaina avy amin'io Vondrona io nanotrona ny fianianan'ny ben'ny tanàna Harilala Ramanantsoa. Zon'ny tsirairay izany, saingy mety hisy dikany sy lanjany ara-politika, toy ny fandikana politika teren-ko masaka ihany fa ireo nifaninana tamin'ny TIM tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna no tsy nahalany ny PCM natolotr'izy ireo. Dia mbola haverina ihany hoe: resy lahatra 100% tamin'ny Filohan'ny APM ve ny TIM? Ankoatra io, misy resaka fifanarahana "deal" mety handeha ihany koa amin'ny mety hanomezana delege iray ho an'ny Vondrona iray manana mpanolontsaina monisipaly ka misy ve no mailo sao ho voafatotry ny resaka natao ka tonga saina tampoka? Ny ampitso no hamaritra azy. Manomboka mivoaka ihany anefa ny feo avy ao anatiny fa nisy mpanolontsaina notambazana sy novidiana 6hetsy Ar ary mety niakatra ambonin'io aza ny tontona, nentina nampandresena ny PCM IRMAR. Nisy nanaovana tolotra fa nandà. Mandeha ny tombatombana samihafa eny amin'ny tambajotra ka isan'ny arovana mafy fa ny TIM tsy mivadika sy tsy mifidy IRMAR izany, fa ny mpifaninana tamin'ny fifidianana no mamadika. Ny loharanom-baovao mivoaka avy amin'ireo mpanolontsaina monisipaly anefa, dia mametraka fanahiana mafy fa tao anatin'ireo 20 ny sasany tamin'ireo nanaiky novidiana. Tsy afaka ny hitompo teny fantatra ny maha marina sy maha diso an'io isika satria fa ny efa mpiseho sy tsy azo nolavina tamin'ny andron'i Naina Andriantsitohaina dia na nanana ny maro an'isa aza ny mpanohitra, lany foana izay zavatra naroso tao. Ny tsy mety dia ny fanenjehana ny hafa sy fandotoana ara-politika ny hafa ho loharanon'ny tsy fahombiazana kanefa mety ho nisy ny mpamosavy malemy. Ny mpitondra ankehitriny no mpitady izay hamaharana sy hanilihana ka sanatria ve miampita ilay fomba? Mety azo hamehezana azy ny fanehoan-kevitry ny depiote teo aloha Guy Rivo Randrianarisoa omaly izay mety tsy misy ifandraisany amin’ity saingy mety afaka hisaintsainana hoe: "Tsara ny manome tsiny ny hafa saingy ilaina koa ny manatsara ny an'ny tena rehefa misy tokony hahitsy."
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap