airtel

Politique

18-avril-2024

Fifidianana solombavambahoaka

Mila manova sy mamadika pejy ny ivelan’ny fitondrana !

Sample post image

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

18-avril-2024

Tsy dia nisy fiovana firy ankoatra ny fahatafaverenan’Atoa Jean-Christophe Razafimanantsoa avy amin’ny Firaisankina, araka ny didin’ny HCC. Izy izay nisy olana ny fandrotsaham-bola noho ny resaka mobile money, ka ny alatsinainy teo no nandoavana izany. Tahaka izany ihany koa ny fitazonana ho kandida an-dRtoa Voahirana Rajoelina ao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo sy Atoa Haritiana Rasolondrainy ao Fianaratsoa I. Tamin’ireo fampiakarana 17 tonga teo amin’ny HCC raha tsiahivina, dia ny iray tamin’ireo ihany izany no nahazo rariny, ary io voatazona io ihany koa ny ireo kandida roa nangataka ny hiala. Raha ny antontan’isa navoakan’ny CENI talohan’ny fampiakarana teny amin’ny HCC dia 519 ny antontan-taratasy voaray, 468 no nahazo fankatoavana, ary miampy an’ireto telo ireto, ka 471 izany ny kandida ofisialy. Distrika miisa 3 no tsy misy kandida afatsy ny lisitra tokana IRMAR, dia ny ao Sambava irotsahan’ny depiote am-perin’asa Mamangy Norbert na Jack sy ny mpiray lisitra aminy dia Minisitry ny atitany izay efa niala Atoa Tokely Justin. Kandida tokana ihany koa ny any Lalangina izay ny depiote efa Minisitry ny asam-panjakana teo aloha Atoa Rivotiana Jean Bosco no mitarika ny lisitra any, ary tsy misy afatsy ny IRMAR ihany koa ny ao Tsaratanana. Ny zavatra tsikaritra tao anatin’izao zotram-pifidianana izao dia ny fahasarotana ho an’ny ivelan’ny fitondrana sy ny fampanjazakana ny kandidam-panjakana. Ny toa kajikajy samihafa niainga tamin’ny fampiakarana ho 20 tapitrisa Ar ny anto-bola, ny fanasarotana ara-taratasy, ny mety ho tsy fahatokisana ny fahadiovan’ny fifidianana,… antony niteraka fihenanan’ny kandida satria 803 ny tamin’ny 2019, ary latsaky ny 500 io ny 2024. Ny fitondrana izay hanao izay fomba rehetra hahazoana maro an’isa ao Tsimbazaza, ka lojika ny fisiana toe-javatra mampiahiahy, izay liana fahamailoana. Saika misy kandidam-panjakana ny distrika rehetra, arahin’ny tsy miankina, ary eo ihany koa ny avy amin’ny fanoherana, dia ny Firaisankina sy Kolekitifa, izay afaka mametraka fifandanjan-kery tsara na izany aza, afaka hamadika ny pejy ao Tsimbazaza satria tsy hisy antenainy firy raha mbola ho solombavam-panjakana no ho maro an’isa. Raha ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana, dia lojika ny tokony hahazoan’ny ivelan’ny volomboasary toerana maro, raha tena madio ny fifidianana.
ENCADRE
Omaly ihany moa dia efa nirosoana ny antsapaka nivoahan’ny laharan’ireo kandida sy ny filaharan’ny fandraisam-pitenena amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM. Manana hatramin’ny 14 mey ireo kandida hanolorana ireo delegeny any amin’ny Birao fandatsaham-bato. Manomboka ny 08 mey hatramin’ny 28 mey amin’ny 6 ora maraina ny fampielezan-kevitra, ka dia andrasana ny fisehony sy ny fivoakany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap