airtel

Politique

06-juin-2024

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

Ny fahamarinana no mampandroso ny firenena, hoy Pastera Heritiana

Sample post image

Anisan’ny mitana ny sain’ny mpanara-baovao rehetra amin’izao ny mety ho vokatry ny fifidianana

06-juin-2024

solombavambahoaka notanterahina ny 29 May lasa teo. Lasa mitsombadika ambony ambany mantsy izany ho an’ny kaominina sy distrika sasany izay ahiana hiteraka korontana mihitsy. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano Fivavahana Vahao ny oloko omaly. Nambarany fa izay tompon’ny fahefana ihany no tompon’ny lakile eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny vahoaka no tompom-pahefana hoy izy ary efa nasehony tamin’ny alalan’ny fifidianana izay olona tiany hisolo vava azy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izany. Tokony hajaina araka izany hoy izy ny fahamarinana fa ny fahamarinana no mampandroso ny firenena. Izay resy hoy izy dia tokony hahazaka resy ary hanana toe-po mahay mandefitra fa tsy maintsy misy lalan’Andriamanitra hitondrany izany olona izany foana ao ambadika ao. Ho an’ireo naharesy kosa izy dia tsy tokony handraraka ilom-by an-doha ny fitokisana napetraky ny vahoaka taminy mba hahafahana mampandroso ny firenena marina. Miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hanaja izay fahamarinana izay araka izany ity raiamandreny am-panahy iray ity.
Pati
Legende : Tsara raha mijoro amin’ny fahamarinana mandrakariva ny tompon’andraikitra hoy Pastera Heritiana !
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap