airtel

Politique

12-juin-2023

Politique

Fihaonana tany Paris Mbola manantena ny fanohanan’i Lafrantsa i Rajoelina

Sample post image

Nanamarika ny tontolo politika sy diplaomatika ny faran’ny herinandro lasa teo ny fihaonana teo amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina.

12-juin-2023

Navoitran’ny mpitondra Malagasy, fa fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta no tena natao tao anatin’izany. Ara-politika, nambara fa vonona amin’ny fanohanana ny fandaharan’asan-dRajoelina dia ny PEM ny Fanjakana Frantsay; hanampy amin’ny fikarakarana fifidianana amin’ny alalan’ny fandrotsaham-bola ao anatin’ny “basket fund”; hanampy amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka amin’ny alalan’ny fanarenana ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines; hanohana ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny politikam-pirenena mikasika ny fari-dranomasin’i Madagasikara sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon'ny Nosy. “Deraiko manokana ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana Frantsay hanohana sy hiombon'ezaka amin'ny fanatanterahana ny "Plan Émergence Madagascar" sy ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra afaka volana vitsy.Nisaotra manokana amin’ny ambara fa finiavan’ny Fanjakana Frantsay amin’ny finiavana hanampy, hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Raha zohiana amin’io, nahazo toky tamin’ny Frantsay indray ny Fitondrana Rajoelina. Tsy vao sambany io, fa efa hatrany amin’ny tamin’ny fihaonana ny 27 aogositra 2021 no efa nanambara ny Filoha Frantsay fa vonona tanteraka i Frantsa hanohana ny fampandrosoana an'i Madagasikara araka ireo laharam-pahamehana nofaritan'ny Fitondram-panjakana. Teo no efa nivoaka ilay sora-bola 240 tapitrisa euros. Mbola nohamafisina io nandritra ny fihaonana ny 29 aogositra 2022, fa amin’ny fanohanana avy amin'i Frantsa ho fanatanterahana ireo tetikasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanabeazana, ny fanajariana an-tanan-dehibe ary ny fanantanterahana ireo fanamby amin'ny ady amin'ny haintany any Atsimon'i Madagasikara,... Amin’ny politika, tsy tongatonga ho azy ny fihaonana tahaka ireny fa misy dikany sy antony. Somary manaitra ny ambara fa fahavononan’ny Frantsay amin’ny fanohanana ny PEM amin’izao 3 na 4 volana tsy hifaranan’ny taom-piasan’ny Filoha ankehitriny izao. Tahaka izany ihany koa ny hoe : hanohanany ny fikarakarana fifidianana, izay isan’ny ho kandida ny Filoha ankehitriny raha ny fihetsiny. Midika fa nahazo toky amin’ny hanohanan’i Lafrantsa azy ve i Andry Rajoelina ka efa ny aorian’ny fifidianan ity resaka fanohanana ny PEM ity? Inona no mety ho tambiny ao anatin’izany ? Sa kosa lalaovin’ny Fanjakana Frantsay ny fitondrana ankehitriny na koa fampanantenana tahaka ireo efa hita sy re matetika amin’ny tontolo diplaomatika ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-juil-2025

Maro tamin'ireo namako nanompa sy nanenjika ary nihevitra ahy ho mpankahala

Card image cap
04-juil-2025

Voaheloka 20 taona sazy mihatra i Médecin-Colonel Patrick Rakotomamonjy.

Card image cap
04-juil-2025

Na inona na inona fanazavana omena eo, ny tsy azo lavina dia misy olana ny resaka solika

Card image cap
04-juil-2025

Isan’ny mbola adihevitra ara-toekerana sy ara-tsosialy ankehitriny ilay resaka TVA 20%

Card image cap
03-juil-2025

Efa namafisin’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola fa tsy

Card image cap
03-juil-2025

Tsy tena mazava ny akon'ny fivoriana mikasika ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa

Card image cap