airtel

Politique

07-oct-2024

Fikotrehana hala-bato

Mandeha ny fanangonana kara-panondro sy kara-pifidianana

Sample post image

Mbola tsy manomboka akory ny fifidianana dia mandeha ny teti-dratsy ara-pifidianana. Ny vaovao mari-pototra sy voamarina eny Alasora,

07-oct-2024

ohatra, dia mandeha ny fanangonana karapanondro sy kara-pifidianana, ary manarama olona isaky ny fokontany mihitsy ny mpanao izany. Efa misy olona karamaina manokana hanao io fanangonana kara-panondro sy kara-pifidianana io, ka izay manome dia mahazo 5000Ar. Ampanantenaina fa rehefa lany ny kandida mampanao izany, dia homena vola miendrika karama isam-bolana ireo olona nifidy sy nampandany azy. Efa mandeha ny fitetezana fokontany, efa manomboka fantatra avokoa ny manao izany. Mampitandrina noho izany ireo mpifaninana sy ny olom-pirenena ao Alasora eo anatrehan’ity teti-dratsy hoentina mividy ankolaka mivantana ny safidim-bahoaka ity. Fomba fiady politika mamohehitra zary lasa fomba fanao ny teti-dratsy tahaka izao, saingy ny mahavariana dia tsy misy fiantraikany any amin’ny fitoriana samihafa, izay toa zary lasa famporisihana ireo kandida samihafa hanao ratsy sy hangalatra, fa efa lasa baolina an-tanimbary ny fifidianana eto, ka samy manao izay reviny araka ny fomba fiteny. Zary hoentina any amin’ny kolontsain’ny fividianana fa tsy fifidianana ka tsy ny tena safidim-bahoaka no mivoaka, ary olona tsy hanasoa ny vahoaka no lany, fa olona hangoron-karena sy hitady tombotsoa. Tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tany aloha sy ny novambra 2023 no efa nisy ireo tranga fahitana karapanondro an-jatony nariana teny amin’ny Tetezan’i Tanjombato, izay heverina fa vita ny nilana azy. Tamin’ny fifidianana depiote farany teo, dia isan’ny niteraka resabe ilay fanangonana karapanondro sy kara-pifidianana nataon’ny ekipan’ny kandida iray teny amin’ny Boriborintany voalohany, izay notratrarin’ny mpifanandrina, saingy vitavita ho azy. Efa niteraka adihevitra sy nampiahiahy ihany koa ny nanangonan’ny depiote iray karapanondron’olona marobe tany Mahajanga. Dia io mitohy io ary mety hitranga amin’ny toerana maro! Tena manana fahefana hanangona sy hampiasa karapanondro sy kara-pifidianan’ny olom-pirenena tokoa ve ny olon-tsotra na fikambanana ampiasaina kandida ? Anjaran’ny olom-pirenena no tonga saina sy tsy hanaiky hatao fitaovana politika maloto hahazoan’ny hafa seza sy fahefana ? Anjaran’ny vahoaka ny manasazy ireo zatra ny lalan-dririnina any amin’ny latsa-bato satria famotehana ny firenena sy famiravirana ny demokrasia sy ny safidim-bahoaka ny tranga tahaka izao. Irariana ihany koa ny handraisan’ny fitsarana mahefa andraikitra mahitsy sy hentitra eo anatrehan’ny teti-dratsy mamohehitra ara-politika maro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap