airtel

Politique

05-mai-2025

Filalaovana ny tafika amin’ny politika

Manomboka mirefotra ny fahasosorana !

Sample post image

Mafampana ny toe-draharaha eo anivon’ny tafika sy ny rafitra fitandroana filaminana,

05-mai-2025

raha tarafina amin’ny zava-nisy niainga tamin’ny ampamoakan’ny Médecin Colonel Rakotomamonjy Patrick. Mifanebaka sy mifamoaka hatramin’ny fiainana manokana toy ny fanononana fa misy mpanao gazety omena fiara manokana, mpiambina manokana,… satria sakaizana olona ambony. Ny avy any amin’ny ankilany miampanga amin’ny resaka mamolava, mandeha ny fifaminganana noho ny mety fisiana tombotsoa sy bizina voakitikitika,… Ny samy manam-basy, ny samy be galona no manomboka mifampiampanga sy mifamely, izay isan’ny antony ny fidiran’ny politika amin’ny tafika. Saropady sy stratejika be, saingy vaky ambatolampy. Tsy voafehy tany an-dakazeriny ny disadisa, tafiditra ny politika, ary heverina fa misy ady mangatsiaka any noho izay antony izay, misy resaka tombotsoa avo lenta,... Na tiana na tsy tiana, misy fiantraikany sy akony any amin’ny vata miaramila ireny. Mety samy manana ny mpomba azy ireo be galona,… Mety endrika iray maneho ny tsy fahafehezana ny fibaikoana na tsy fanekena baiko mety tafiditry ny politika ny nahavotsotra an’i Médecin Colonel Rakotomamonjy Patrick izay misy ny vaovao milaza fa efa voasambotra ny 14 aprily, saingy votsotra ny marainan’ny 16 aprily taorian’ny nitazonana azy teny amin’ny Toby Ratsimandrava. Tena izay ve no nitranga hoe efa voasambotra izy fa tafatsoaka ? Nahoana no tsy nisy serasera ofisialy mikasika an’izay ? Dia tena hoe : tamin’ny heriny manokana ve no nahavotsotra azy sa nisy andiana mpitandro ny filaminana miandany sy miaro azy ? Iny efa nambarany tao anatin’ny horonan-tsary iny rahateo fa zandary be dia be no miaro azy ? Tsapa sy tsikaritra ho manomboka mirefotra sy tsy voafehy any an-dakazeriny ny toe-draharaha, misy ny fahasosorana,… matoa tonga amin’izao. Lazaina fa « grand Sanatria hifandramatra ny samy miaramila vao ho taitra ? « Grande muette » izany hoe : manaja ny fitoniana, ny fahanginana, ary ny fanajana fitsipika ny eo anivon’ny tafika indrindra raha voakasika ny raharaha politika sy fiainam-bahoaka, saingy somary mivoaka kely amin’izany aloha io zava-misy io. Tsaroana tsara fa fanaterana taratasy tamin’ny tafika niantso fandraisana andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena no nanamelohana 30 volana sazy mihantona ny Filohan’ny SECES Antananarivo sy ny Sekretera Jeneralin’ny randrana sendikaly izay vao avy namafisin’ny Fitsarana ambony ny 02 mey teo, ka asa izay sary mitranga any anaty Fanjakana any teo anatrehan’ity toe-draharaha tao anatin’ny andro vitsy ity, fa raha ny akony re avy aty ivelany aloha dia misy fikorapahana. Manahirana ity raharaha ity, ary mety ho kihon-dalana ho an’ny raharaham-pirenena na lalana mitarika tsikelikely makany…
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap