airtel

Politique

18-avril-2024

FIRAISANKINA AVARADRANO

Laharana faha-3 i Avotra sy Jimmy

Sample post image

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

18-avril-2024

ho avy io ho an’ireo kandida natolotry ny Vovonana Firaisankina ho an’ny distrikan’Avaradrano. Tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ireo mpifaninana izy ireo ary mivonona ny hanao poa-droa. Nihaona sy nitafa tamin’ireo vahoakan’Ankadikely Ilafy omaly Alarobia 17 Aprily ny kandida lohalisitra Avotraina Andriamosa, Ben’ny tananan’i Sabotsy Namehana sy ny mpisolo toerana azy ny Pastera Lazasoa niaraka tamin’ny kandida lisitra faharoa Jimmy Randriantsoa, Ben’ny tananan’Alasora sy ny Ben’ny tananan’Anjeva Gara Atoa Haja, izay mpisolo toerana azy. Nampahafantarin’izy ireo ny vahoakan’Ankadikely Ilafy nandritra izany fa laharana faha-3 izy ireo amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy io. Nanentana ny mpifidy rehetra feno 18 taona ihany koa izy ireo mba samy ho avy handatsa-bato hahafahana mitondra ny mahararin’Avaradrano eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nambaran’Atoa Avotraina Andriamosa nandritra izany fa olona samy hatokisan’ny filoha Ravalomanana izy roalahy lisitra voalohany sy faharoa kandida solombavambahoaka ireto izay marihina fa samy mbola Ben’ny tanana am-perin’asa avokoa. Samy voky traikefa ihany koa ary tena mahalala ny fahasahiranan’ny vahoaka eny ifotony noho izany mivonona ny hanao poa-droa. Nanome toky azy ireo moa ireo vahoakan’Ankadikely Ilafy fa hanohana feno azy mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana no sady hampandresy azy roalahy ihany koa. Kaominina miisa 4 moa sisa raha tsiahivina no tsy voatetin’ny kandida Solombavambahoaka ao Avaradrano Avotraina Andriamosa sy Jimmy Randriantsoa.
Pati

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap