airtel

Politique

21-nov-2023

Fisamborana Jeneraly sy kolonely

Nodisoin’ny zandarimariam-pirenena

Sample post image

Namoaka serasera miandrika fandisoam-baovao ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena omaly

21-nov-2023

manoloana ny vaovao aely ao anaty tambazotran-tserasera "Facebook" milaza ny fisiana fisamborana manamboninahitra lazaina fa mikononkonona fanonganam-panjakana. Nambara tao anatin’ny resaka fa voasambotra ka hatao famotorana eny amin’ny Section des recherches criminelles Antananarivo na Sampana misahana ny heloka Bevava ny jeneraly Lefitry ny kaomandin’ny Zandarimaria sy ireo Manamboninahitra kolonely miisa 2 avy ao amin’ny Tafika Malagasy. Notononina hatramin’ny anarany mihitsy moa ireo manamboninahitra ireo. Andaniny, fandikan-dalàna ny fanalana baraka sy ny fanelezana vaovao tsy marim-pototra koa tsy maintsy andraisana fepetra, hoy io fampitam-baovao io. Nambara fa efa eo am-pelatanan'ny Sampana misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka na « Service de Lutte Contre la Cybercriminalité » ny raharaha. Nomarihina fa efa fantatra avokoa ireo nahavanona izany hatramin'izay nanaparitaka. Izany no hatao dia ho anatra sy ho fampitandremana ireo izay mety mbola halaim-panahy hanao filazana sy fanaparitahana vaovao tsy marina, hoy hatrany ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Saropady ity resaka amin’izao toe-draharaha politika mafampana izao, saingy tsy azo hamaivanina. Ny 15 aogositra lasa teo rahateo, dia nisy ny gazety an-tsoratra iray nanao lohateny lehibe nilaza hoe : « Fikasana hanakorontana : Jeneraly sy kolonely vitsivitsy ara-maso akaiky », nambarany tao anatin’izany fa « manara-maso akaiky ny fihetsiky ny jeneraly sy kolonely vitsivitsy ao anatin’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena ny mpiondra Fanjakana sy ny Lehiben’ny mpitandro filaminana ankehitriny. Voalaza fa mikotrika fanakorontanana ka misy miray tendro amin’ireo kandida manohitra ny fifidianana hotanterahana rahampitso », hoy ny ampaham-dahatsoratra nisarihana ny mpamaky.

Andaniny, fanamarihana nentin’ny ankamaroan’ny olom-pirenena kosa eo anatrehan’ny tranga tahaka itony ny hoe : tokony hitovy ny fandraisana andraikitra sy ny fanenjehana eo anatrehan’ny fandikan-dalàna, fanalam-baraka olona, fanimbazimbana ny maha olona, fanompana, fanelezana vaovao tsy marina,… satria tena tsy takona hafenina ny fisiana sokajin’olona tsy mba voakitika na inona na inona ataony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.

Card image cap
03-juin-2025

Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar

Card image cap
03-juin-2025

Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,

Card image cap
03-juin-2025

Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,

Card image cap
03-juin-2025

Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,

Card image cap
03-juin-2025

Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.

Card image cap