airtel

Politique

23-sept-2026

FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"

Velona indray ny fanantenana

Sample post image

Tsy tongatonga ho azy ny nahatafiditra

23-sept-2026

ny fandinihina ireo nosy manodidina (iles éparses) mandritra ny fivoriambe faha 81 n'ny firenena mikambana (ONU) any New York Etazonia amin'ity herinandro ity. Na tsy dia natao resabe sy propagandy tahaka ny tamin'ny fitondrana Rajoelima aza dia mazava fa nisy asa ara-diplaomatika goavana nataon'ny fitondrana fanavaozana. Hita eto ny vokatr'ilay fifandraisana iraisam-pirenena tsy mialon-jafy fa miresaka sy mifampiraharaha amin'ireo firenena rehetra hita hoe mety hitondra tombotsoa ho an'i Madagasikara sy ny Malagasy araka ny tenin'ny kolonely Randrianirina Michael ombieny ombieny.
MITAHIRY HARENA
Toerana tena stratejika aty amin'ny ranomasimbe Indiana ireo nosy manodidina ireo izay ahitana an'i Europa, Juan de Nova, Bassas da India sy ny nosy Glorieuses. Ao amin'ny lakandranon'i Mozambika no misy azy ireo izay toerana tena manankarena tokoa raha ny fandinihan'ny manampahaizana satria tombanana ho manana tahirina "gaz naturel' mafonja ao ambany ranomasina, misy solitany ihany koa. Raha ny velaran-tany no jerena dia kely ny Iles Eparses ( 47 km² ) goavana dia goavana kosa anefa ny anjara fara-dranomasiny satria mahatratra 640 400 km² io ilay antsoina hoe Zone Economique Exclusive (ZEE), izany hoe mihoatra ny velarantanin'i Madagasikara (587 041 km²).Madagasikara Ny Frantsay no mahazo tombony amin'io nanomboka tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany ka hatramin'izao.
TSIAHY ARA-TANTARA
Tsiahivina kely fa ny nivezivezy tao amin'ireo nosy avaratra andrefan'i Madagasikara ireo mialohan'ny fanjanahantany (talohan'ny 1896) ny mpanjono malagasy. Natao teo ambany fitantanan'ny governemanta Malagasy izay teo ambany fiahian'i Lafrantsa ireo nosy ireo ny taona 1896 ka hatramin'ny 1958. Ny 01 aprily 1960 no nanapa-kevitra samirery nanasaraka ny "iles èparses" tamin'i Madagasikara ny fanjakana Fransay, izany hoe 2 volana mialohan'ny nanambarana tamin'ny fomba ofisaly ny fahaleovantena. Ny 23 janoary 1973 no nangataka ny fomba ofisialy nanoloana ny firenena mikambana ny hamerenana aminy ireo 'iles éparses" i Madagasikara. Ny 12 desambra 1979 no nivoaka ny fehin-kevitra laharana 34/91 an'ny firenena mikambana nangataka tamin'i Lafrantsa mba ha.erina manontolo ireo "iles èparses" ny firenena mikambana (ONU).Nisy ny kabary sy resaka be natao propagandy ny taona 2018 fa hoe takiantsika any îles èpares ary nisy komity iraisana natsangana saingy niongana ihany ny fitondrana Rajoelina fa tsisy resaka. Nisy fotoana ny Rosia nilaza mazava fa mazoto hanampy an'i Madagasikara amin'ny fitakiana ireo nosy manodidina ireo, ka asa re.
RTT
 

Dans la même rubrique

23-sept-2026

no hanamarihana ny fahafahana tamin'ny geja

Card image cap
23-sept-2026

tsy iasana ny 25 septambra

Card image cap
22-sept-2026

hiakatra Fitsarana

Card image cap
22-sept-2026

Efa any New York ny ampahany

Card image cap