airtel

Politique

23-mai-2025

Fitantanana an’i Madagasikara

Efa atao toy ny orinasam-pianankaviana...

Sample post image

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

23-mai-2025

hatrany ho mampiditra ny ankohonany amin'ny fitantanana Firenena. Isan'ny sarotiny mafy i Andry Rajoelina amin'ny hoe: tsy tokony hampidirina amin'ny raharaha mahakasika olona iray ny vady aman-janaka, indrindra fa amin'ny politika. Tsy tokony hikitikitihina vady aman-janaka ny tsy fitaovan-kevitra politika. Tena iombonana hevitra 100% ! Mahagaga sy miteraka adihevitra hatrany anefa ny fihetsika asehon'ny Filoha na efa niteraka kiana mivaivay aza ny fampidirany lalina ny ankohonany amin'ny raharaha politika, tombotsoa ara-toekarena mifamatotra amin'ny Fanjakana,... Efa natsikafon'ny olom-pirenena ny fahitana ny zanaky ny Filoha tamin'ireo dia ara-panjakana tany ivelany, ny fifanarahana ara-panjakana tamin'ny orinasa vahiny, ny fakana toeran'ny tompon'andraikitra ny arofenitra fandraisana manam-pahefana ambony tany anaty lapam-panjakana,... Noboriboriana tamin'ny hoe: nampianarina sy mandray anjara mampandroso ny firenena ny zanany. Dia io fa mitohy tany Nosy Be, ka samy noraisina tamin'ny karipetra mena na ny Filoha na ny ankohonany. Raharaham-panjakana no natao tany raha ny ofisialy, Fivoariamben'ny governemanta, fitokonanana zava-bita,... ka niantohan'ny Fanjakana Malagasy tamin'ny volam-bahoaka izany ireny? Mety horaisina hoe ny anareo efa fankahalana, saingy na tiana na tsy tiana dia lasa misy tombotsoa mifampiditra, ny fifanomezana vahana ho an'ny tombotsoa ara-toekarena,... Efa Niditra amin'ny sehatry ny fandraharahana toy ny amin'ny lafiny ara-pizahantany rahateo ny zanaky ny Filoham-pirenena ka mipetraka hatrany ny ahiahy amin'ny fanodinana ho an'ny fanomezana vahana na fampidirana ho tombotsoam-pianankaviana ny mety ho fifanarahana eo amin'ny Firenena samy Firenena, Fanjakana sy ny tsy miankina, Fanjakana sy ny sehatra ara-toekarena vahiny. Efa adihevitra ny resaka Émirats, betsaka ny ahiahy amin'ny bizina ara-pizahantany ao Nosy Be iarahana amin'ny arabo,... Efa niaraka tany an-toerana ny Filoha mianakavy sy ilay mpandraharaha malaza Mohamed Allabar taorian'ny fandraisana azy tao Iavoloha ny faramparan'ny taona 2024,... Tsy finiavana hitsikera manokana ny fiainan'ny Filoham-pirenena sy ny ankohonany izay manana ny safidiny sy ny fahalalahany amin'izay tiany hatao. Tsapa sy tsikaritra kosa anefa tato ho ato ny fanahiana ny fifangaroan'ny fitantanana Firenena sy ny mety ho bizim-pianankaviana ka mampametra-panontaniana hoe: fa efa lasa orinasam-pianankaviana ve i Madagasikara ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Hafahafa, mampalahelo ilay zava-misy ankehitriny, hoy ny mpanao gazety,

Card image cap
10-juin-2025

Mikasa hanao fivoriana mikato-trano ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ity talata ity,

Card image cap
05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap