airtel

Politique

23-mai-2025

Fitohy Rajoelina

Mitohy fampanantenana iray sarety sy ny vokatra iray kapoaka…

Sample post image

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

23-mai-2025

amin'izay tokony, hoy ny Filoham-pirenena nandrira ny filankevitry ny Minisitra tany Nosy Be. Anisan'ny navoitra mafy ny fahavitan'ny lalana mitondra makany amin'ireo toerana mampiavaka an'i Nosy Be manodidina ny 40km, ny fahavitana EPP, hopitaly navaozina manontolo efa eto Antananarivo ny scanner, trano mora 80 isa,... Toy ny mahazatra, mitosaka ny fanamby sy fampanantenana ka nilazana fa iraisana amin'ny rehetra ny fihazakazahana amin'ny angovo azo havaozina, ka niresahana parc solaire 5MW ao Nosy Be efa manomboka, hiampy 5MW fanampiny amin'ny taona ho avy. Misy 3MW hataon'ny sehatra tsy miankina hanampy an'izany izay nambara fa efa ho vita. Ny dikan'izany dia efa mihena, miha foana tsikelikely, ary ho foana tanteraka ny fahatapatapahan-jiro ao Nosy Be, hoy i Andry Rajoelina. Fomba firesaka efa zary faheno isak'izay aleha manerana ny Nosy fa ny zavatra iainana mbola delestazy mandavan-taona ihany. Ny resaka rano moa nolazaina fa tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ao Nosy Be sy Antsiranana. Tsy ampy 1600 m3 isan'andro ny famatsian-drano ao Nosy Be ka nilazana fa afaka manampy hatrany amin'ny 4000m3, ary efa misy tetikasa mitentina 4 tapitrisa dolara. Nambara fa hasiana tanana vaovao ao Madiro, ahitana zavatra maro toy ny tranom-panjakana, fitsangatsanganana, zone commerciale,... Noresahana ihany koa amin'ny lafiny fananantany ny fametrahana baorina marobe sy fizarana karatany faobe hatrany amin'ny 200 000 amin'ny alalan'ny fametrahana Birao ifoton'ny fananantany, hanao borigadin'ny zandarimaria hiadiana amin'ny halatra lavanila, hanao tetikasa fanodinana ny vokatry ny tantsaha, hanohana ny tantsaha any SAVA amin'ny famokarana vary safiotra amina velarana 200ha ka nampanantenana fanamorana ara-masomboly sy zezika, hanangana ozinina mpamokatra zezika 20 000 taonina isan-taona hatao any Andapa, miampy toerana fitehirizam-bokatra 5000 taonina. Mampanantena fanamboarana ny Pont Mahavavy sy Ifasy, ny R6 Ambondromamy-Antsiranana,..
EFA HO LAVA…
Mitosaka hatrany ny filazana hanao an'izatsy sy izaroa, hanova ny fiainam-bahoaka, fa mandrak'ity ny androany mbola miha sahirana sy miha mahantra hatrany ny Malagasy. Tena hoe ny fampanantenana iray sarety, ny vokatra iray kapoaka hatrany. Ezahina havoitra hatrany ny hoe fidinana ifotony miaraka amin'ireo tompon'andraikitra isan-tokony, hijerena ifotony ireo asa efa vita sy ireo tokony hotontosaina ao anatin'ny fampandrosoana. Hiandry an-dRajoelina vao hivaha ireo olana manerana ny faritra 23, distrika 120, kaominina 1695? Asa rahoviana no hisy hijery sy tena hitondra fampandrosoana any amin'ireo distrika tena ankilabao maro raha tsy hilaza afatsy Ikongo, Nosy Varika, Anosibe an'Ala,... fa toa zary ny politikan'ny sehoseho ivelany hatrany no hita taratra ary ny avo ihany no tohanana? Sa arakaraka ny bizina sy tombotsoan'ny mpitondra any amin'ilay toerana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Hafahafa, mampalahelo ilay zava-misy ankehitriny, hoy ny mpanao gazety,

Card image cap
10-juin-2025

Mikasa hanao fivoriana mikato-trano ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ity talata ity,

Card image cap
05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap