airtel

Politique

07-oct-2024

FIVOI na Fiovana ivoaran’ny eny ifotony

Distrika 25 no nahafahana nametraka kandida ben’ny tanàna

Sample post image

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo teny amin’ny ISTS Andoharanofotsy

07-oct-2024

ireo kandida ben’ny tanàna miisa 139 mirotsaka amin’ny anaran’ny fikambanana FIVOI na Fiovana ivoaran’ny eny ifotony, tarihin’ny filohany, Rajerison Antoine. Ireo, hoy izy, no nahatonga taratasy fa miisa 9 kosa ireo mbola iandrasana ny fankatoavan’ny CENI. Tsy nikaroka kandida mihitsy ny FIVOI fa ry zareo no nanatona ny fikambanana hoe te hirotsaka amin’ny anaran’ny FIVOI. Nisy kaominina sasany tena hoe olona miisa 10 no nofantenina tao aminy niaraka tamin’ny solontenam-pokonolona ary nanaovana fanadihadiana ifotony mba hahafahana misafidy izay mendrika ho kandida. Fampandrosoana miainga avy any ifotony no tanjona. Lasa rano nodikain’ny zinga ny teny ifotony hatramin’izay. Tsy tafapetraka intsony ny hoe tontolo fihariana miainga avy eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana. Anjaran’ny fitondram-panjakana nefa no mametraka izany lalam-barotra izany ahafahan’ny tantsaha mahita fivoarana satria rehefa tsy tonga ao an-tokantrano io vola io ka ratsy ny vidim-bokatra dia sahirana ny tantsaha. Lasa miala any an-tanàna sy miakatra aty an-drenivohitra. Tonga izahay hitarika fivoarana miainga eny ifotony, hametraka ny solontenanay eny koa hitarika an’izay fa tsy hitazana fotsiny. Distrika miisa 25 aloha tamin’ity no nahafahana nametraka kandida fa hirariana ny hahafahana mametraka izany amin’ny distrika rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ny fotoam-piasana manaraka. Mijapy ny efa mandeha no fanaon’ny mpanao politika eto Madagasikara hatramin’izay fa tsy mipetraka intsony ilay fotokevitra nijoroana, izay no anton’ilay fepetra hoe aleo ny eny ifotony no mijery ny mety aminy. Rafitra iray anaty fanjakàna foana ny kaominina. Volam-bahoaka no tantanan’izany fanjakana izany. Tokony hisitraka fanampiana avy amin’ny fanjakàna foibe, noho izany, ny kaominina rehetra tsy an-kanavaka, hoy hatrany ny FIVOI.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap