airtel

Politique

14-oct-2026

Front de libération

national «Tena ilaina ny dinika

Sample post image

tsy mitsitokotoko!»

14-oct-2026

Fahefàna vilany misarona hatreto no hita eto amin’ny tany sy ny fanjakàna, hoy ny FLN na Front de libération national. Tsy misy mahafantatra ny laoka ao anatiny isika hatreto, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre, hoe misy henan-kisoa ve ao sa ro matsatso? Nampanantenaina isika fa ho an’ny fikaonandoham-pirenena dia ahato aloha ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4, hoy izy. Ny ifikiràn’ny fitondràna fanavaozana nefa dia io hatreto na dia tsy mamaritra ilay atao hoe repoblikan’ny fanavaozana aza. Tsy mbola hita be rahateo izay hatreto fa toy ny atao sy mandeha ihany ny asa nefa mbola tsy fantatra mazava hatreto ny fandehany sy ho vokany. Raha mijery ny fanehoan-kevitr’ireo olona nanohana ny fitondràna amin’izao fotoana izao isika dia miha mafy ankehitriny ny fitakiana ny hoe tokony hisy ny dinika politikan’ny samy malagasy mba hahafahana mametraka rafitra tena itondràna ny fanjakàna ary tena andehanana any amin’ilay fanavaozana sy hahafahana manana fitondràna tena afaka hanao fikaonandoham-pirenena. Miha maro ny vondrona na vovonana sy fikambanana politika miorina eo anatrehan’izany fanehoan-kevitra izany. Miha mafy ny fiainana. Miha betsaka ny entana tsy misy. Miha sarotra ny fanatanterahana ireo fampanantenàna efa natao tamin’ny vahoaka tany aloha. Fanirian’ny vahoaka ny mba hahafahany mampiana-janaka maimaimpoana, mitsabo tena maimaimpoana, misitraka trano fonenana mora, manana fitaterahana mora sy ny toy izany rehetra izany nefa ireo amin’izao fotoana izao miha lafo avokoa. Miha ratsy ny fandriampahalemana satria mahita izao isika io hoe hatramin’ny olona voafaoka any am-ponja no tsy hita popoka teo. Tena efa ela no nilàna ny dinika politika teto Madagasikara. Tamin’ny fotoana nandraisan’ny filohan’ny fanavaozana ny fahefàny dia efa tokony napetraka ny dinika politika! Nisy ny dinika politika saingy nitsitokotoko. Samy namoaka ny hetahetany momba ny fifanarahana politika ny rehetra. Tokony hisy fihaonana iray indray mandeha nefa satria ny dinika politika no hahafahana mahazo fahefàna eken’ny rehetra hitantanana tsara ny firenena. Ny fisian’ny fahefàna ara-drariny no ahafahana mametraka fahefàna ara-dalàna amin’ny alalan’ny fifidianana avy eo. Ny dinika politika no ahafaha-mametraka izay fahefàna ara-drariny izay mba hahafahan’ny firenena mandroso, manapa-kevitra mahintsy tsara ary mifandray tsara amin’ny any ivelany fa tsy anatina sarintsarim-pifandraisana toy izao fotsiny. Tena ilaina ny dinika tsy mitsitokotoko, hoy hatrany ny FLN!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-oct-2026

fa tsy mbola tena mahaleotena

Card image cap
12-oct-2026

Mila mahatsapa fiovana tsara

Card image cap