Tsy azo itokisana, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre, ny olona manao fanaratsiana izany. Izay niarahana nanapaka no tokony hivoaka anatina fikambanana, hoy izy. Lasa toetrana olon-tsotra fa tsy mpanao politika no toetranao raha vao miala amin’izay. Ny zava-miseho anaty ampamoaka dia mety ho tena zava-marina fa tsy fanaratsiana. Ny tsara ihany koa no haratsiana fa tsy ny efa ratsy. Tahotra ny hatsaràn’ilay haratsianao na ny tsy fanananao ny hatsaràny izany no mahatonga anao manaratsy an’ilay olona satria mety hisongona anao bebe kokoa izy amin’izay fahatsaràny izay ka izay no hanaratsianao azy. Ny asa rehetra ataonao ao anaty fikambanana dia ho an’ny fikambanana fa ny asa rehetra ataon’ny fikambanana dia ho an’ny tombontsoam-bahoaka. Tsy misy kandidàn’ny mpanohitra raha ny fahitàn’ny FLN azy ao anatin’izao fifidianana kaominaly eto Antananarivo izao fa kandidàn’ny tsy fitovian-kevitra na fankahalàna ny filoham-pirenena sy ny fitondràna no misy. Mifaninana amin’ny fitondràna ireo olona ireo satria ny fanoherana dia raha misy hevitra avoakan’ny fitondràna dia kihaninao na tsikerainao fotsiny fa tsy hoe rehefa lasa ben’ny tanàna ianao dia tafiditra anatin’ny isan’ny mpitondra fa tsy tafiditra intsony anatin’ny isan’ny mpanohitra, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo