airtel

Politique

18-juil-2024

Front de libération nationale

«Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra izy hampanginana anao!»

Sample post image

Manoloana ny fanenjehana ara-politika miseho lany ankehitriny dia nanambara ny antoko politika

18-juil-2024

FLN na Front de libération nationale fa raha hitanao fa tsy mety ny fomba fitantanan’ilay mpitondra na ilay politika apetrany mihitsy no tsy mety dia anaovanao fanakihanana na fanoherana dia mazava ho azy fa praiminisitra sy filoham-pirenena no tompon-kevitra amin’io kihaninao io. Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra koa izy, hoy ny filohan’ny FLN, Iada Jean Pierre, hampanginana anao mba hahafahany manatanteraka ny heviny! Izay, hoy izy, no mahatonga an’io fanenjehana ara-politika araka ny lazaintsika io. Fanenjehana politika ilay izy fa arahana fahafantarana mialoha ihany koa zavatra tsy mety na «pénal» nataonao tany ahafahana mamatotra anao rehefa voatana eo ianao satria ny mpaneho hevitra rehetra tsy mahafaly ny fitondrana raha ho samboriny daholo kanefa tsy manana raharaha mety hamatotra azy. Ho samboriny eo fotsiny dia avy eo avotsotra raha izay fa ireo manana raharaha mamatotra azy amina heloka efa nataony tany aloha ka mbola tsy tapitra ny fetr’andro, ireny kosa dia samboriny ara-politika fa rehefa avy eo ny hanagadrany azy dia ilay heloka ary izay no mahatonga azy ireo ho voatazona maharitra be any. Izay no hitarin’ny fanjakana. Alefany tsikelikely eo. Tapitra ny sazinao amin’ny heloka iray dia alefany indray amin’ny heloka manaraka satria te hampangina anao izy nefa sarotra ho azy ny mampangina anao ho azy amin’izao noho ny hoe misy an’io fanagadrana anao io dia izay no zavatra ataony, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap