airtel

Politique

20-oct-2026

GEN Z

POUR LA REFONDATION

Sample post image

Mangataka ny FFKM hanome

20-oct-2026

tso-drano ireo Goaika antitra »
Politika mba haka aina amin’izay Nivoaka tamin'ny fahanginany ny GEN Z pour la Refondation manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Tokony hijoro amin'ny maha-mpaminany azy ny Ffkm , mampihavana , tsy hiady tombontsoa politika fa hanome tso-drano ny tanora hahaleo hahalasana eto amin'ny tany sy ny Firenena ary hitso-drano ireo Goaika antitra Politika mba haka aina amin’izay sy hahazoan'izy ireo ny fanjakan'ny Lanitra . Tsy fizarana seza mantsy ny fanavaozana hoy ireto tanora ireto fa fanarenana ny Firenena sy fijerena ireo hetahetam-bahoaka indrindra fa ny lafiny sosialy. Nohamafisin'izy ireo fa ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka sy ny fijerena ny sosialim-bahoaka no antony nisian’ny hetsika tamin'ireny volana Septambra taona 2025 ireny. Tokony omena fahafahana araka izany ny filohan'ny fanavaozana hisafidy izay olona hiara-hiasa aminy hoy izy ireo fa tsy hatao an-tery. Farany moa izay tsy kely akory dia nampahery ny Filohan'ny fanavaozana ny kolonely Randrianirina Mickael izy ireo tsy hiemotra ary hiady hatramin’ny farany ho tombontsoan’ny firenena.
Pati
Legende : Ireo tanora GEN Z nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

20-oct-2026

Miantso ny PRRM ho mailo amin’ireo manodidina azy

Card image cap
20-oct-2026

Voaheloka 5 taona an-tranomaizina,

Card image cap
20-oct-2026

Fikambanana 3 vatsiana 452 tapitrisa Ar

Card image cap
19-oct-2026

Na ny namana aza tsy

Card image cap
19-oct-2026

ny repoblika"

Card image cap