airtel

Politique

27-nov-2024

Gérard Ramamimampionona

«Diso io politikantsika eto io ary mampahantra»

Sample post image

Toy ny vatan’olona iray ny fiainam-pirenena, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona,

27-nov-2024

ka tsy tokony hoe satria anaty vanim-potoanan’ny fifidianana isika izao dia tokony hajanojanona aloha ny toekarena na ny sosialy. Raha misy zavatra ataonao ve, ohatra, hoy izy, dia hoe aleo aloha tampenana kely ny orona na ny maso fa aleo ny vava ihany aloha no ampiasaina? Tokony miaraka foana ary mila fantantsika hoe ny fiainam-pirenena dia zavatra iray mitambatra ka tsy tokony hisy hoe ajanojanona ity na noho ny fanomezan-danja an’iry dia atao resy tosika be ity. Izay foana no hitenenako hoe diso io politikantsika eto io ary mampahantra. Ny politika tokony mampandroso fa ny antsika mampahantra. Tokony handamina, ny antsika manakorontana. Ny an’olona politika mitsinjo ny be sy ny maro, ny antsika mitsinjo olona vitsivitsy. Ny politika tokony hoe mampiombona ny rehetra ho lasa hery iray. Ny antsika politika mampisarasara-bazana. Izay no ilazàko hoe diso ny politikantsika ary tokony sainin’ny mpanao politika, indrindra, ireo te hirotsaka izany. Tonga indray izao ny fifidianana. Misy foana ao anatin’izany ny fampielezankevitra. Eo izao dia efa ahitàna ilay politika diso. Raha manontany olona avy any amin’ny fampielezankevitra ianao dia ny artista tao no tantarainy na ny azony avy any toy ny hoe menaka, vary, koveta, akanjo fa raha izy no anontaniana hoe inona no hevitra naely tany dia hiambakavaka izy. Lasa politika kijonojono sy fanangolena fotsiny ilay izy hoe heverina fa io fampielezankevitra io ihany no hanaovan’izay ho ben’ny tanàna ny asany hahazoany fahefana. Ohatrany adino hoe 5 taona ilay tena fotoam-piasana. Diso ilay fanaovana politika ary na ilay vahoaka koa lasa miandry sy voataiza amin’izany dia manabevoho izany politika kijonojono sy fanangolena izany. Araraotina ilay fahantram-bahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap