airtel

Politique

23-mai-2025

Haingo Paradis

«Aoka tsy hanao didin’ny be sandry hoe rehefa IRMAR dia tsy maintsy lany!»

Sample post image

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

23-mai-2025

vaovao izay lany tamin’ny anaran’ny antoko politika TIM, izay voalaza fa kasain’ny mpifaninana taminy, izay kandidan’ny antokon’ny fitondram-panjakàna ho esorina amin’ny toerany. Efa nahavita fianianana izay natrehin’ireo tomponandraiki-panjakàna teto amin’ny firenena nefa io ben’ny tanàna io, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Haingo Paradis. Nanatrika izany ny filohan’ny antenimieran-doholona, hoy izy, ny minisitry ny fitsaràna, ny sekreteram-panjakàna misahana ny tanàna vaovao, tazana teo daholo izany olobe eto amin’ny firenena izany. Rehefa lany nefa ity ben’ny tanàna ity dia izao misy mikasa hanao teti-dratsy izao. Nitory teo anivon’ny fitsaràna miady amin’ny fanjakàna moa ity ben’ny tanàna vaovao ity taorian’ny voka-pifidianan’ny CENI. Resy avy eo ny ben’ny tanàna natolotry ny IRMAR rehefa nivoaka ny vokatra ofisialy. Lasa manao karazana fanamparam-pahefana sy manonontonona anaran’olona eo anivon’ny fitondràna vokatr’izany amin’izao fotoana izao io kandida IRMAR io. Milaza io fa efa mandeha ny fandaminana eny anivon’izany fitsaràna izany ary tsy misy atahorana intsony fa PDS no asolo eo. Mahatsiaro menatra sy afa-baraka ny tena ao anatin’izany rehetra izany. Mila hajaina ny safidim-bahoaka fa tsy mety izany. Mazava koa ny nambaran’ny filoham-pirenena tany Toliara farany teo fa vonona hiara-hiasa amin’ny mpanohitra sy ny rehetra izy. Fotoana tokony hanajàna tena izao rehefa tsy lany fa aoka tsy hanao didin’ny be sandry hoe rehefa IRMAR dia tsy maintsy lany! Tsy ilay ben’ny tanàna lany no arovako fa ny safidim-bahoaka. Hampanjaka ny fahamarinana sy hijoro amin’ny fahamarinana no antom-pisiana. Aoka izay ny fanaovana letrezana! Aoka ho averina amin’ny vahoaka amin’izay ny fahefàna! Miandry ny fitondràm-panjakàna hampanjaka ny fahamarinana ary hampiseho ihany koa fa tsy manao tsinontsinona vahoaka, hoy hatrany i Haingo Paradis.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap