airtel

Politique

28-avril-2025

Harena stratejikan'i Madagasikara

Hifandroritan'ireo Firenen-dehibe, ny Malagasy miha fadiranovana...

Sample post image

Tsara ny fifanaraham-piaraha-miasa fa tsy dia antenaina firy. Tsy misy Frantsay, na Kaomorianina,

28-avril-2025

na Maorisianina ho faly aminao izany ary matoa notafihiny sy nozanahany dia haka ny harena eto no tanjony, raha ny ampahan’ny fanehoan-kevitr’i Dr Rabe Landry izay manam-pahaizana ara-toekarena, diplaomaty, efa Mpikamban’ny Filankevitra momba ny fampihavanana Malagasy na CFM,... Vahiny manokan’ny fandaharana Bemiray an’ny Top Radio FM 102.8 moa ny tenany ny zoma lasa teo, ka isan’ny noresahana ny Fivorian’ny COI sy ny zava-misy eran-tany mahakasika izany, indrindra fa ny momba an’i Madagasikara manokana.
MISY TAKALONY
Nahitsy izy naneho fa misy ny hoe : « la loi de la contrepartie », fa tsy misy zavatra mandehandeha ho azy, tsy hisy firenena hamono antoka aminao izany. Tsy ny Firenena Frantsay ve no tokony hanonitra antsika fa tsy izy indray no hoe : handeha hamafa trosa ? Ny Iles Eparses efa namafisina tamin’ny 1979 fa antsika ka inona no mbola hoe horesahana ? Izay mitranga eto tsy olana aminy, rehefa mandeha ny fitrandrahana « terres rares ». Ny serasera tsy voatery tsy maintsy miteny, fa ny fihetsika sy ny sary dia midika zavatra be dia be. Fihatsaram-belatsihy no betsaka, ka mila mahay mamaky izany ara-politika sy ara-diplaomatika isika satria ny « eny » mety ho « tsia » ary ny « tsia » mety ho « eny », hoy io manam-pahaizana io.
MIOVA NY LAMINA ERAN-TANY, MIADY SISIKA ETO IREO MATANJAKA
Tsara ilay foto-kevitra, saingy tsy azo kosehina sy tsy afaka hamela anao handeha ho azy fotsiny ny tantara. Tany Sénégal nanao fifonana ampahibemaso ny Frantsay, fa jereo ny zava-mitranga any Burkina Faso, Niger, Mali izay Frankofonina daholo ireny. Maninona ny olona no mitroatra ? Noho io antony io no mahatonga an’izany, mila fehezina, mila jerena, ary tsy miteny hoe ratsy daholo ny Frantsay fa misy mpanao politika tonga saina amin’ny zavatra nisy taty amin’ny Faritra Afrika, ary ny politika Frantsay amin’izao izay tsy hidirako lalina, no mahatonga azy hanana olana aty Afrika. Izay no mahatonga azy mifikitra, ary anisan’ny kazana varavarankely hidirany aty Afrika i Madagasikara satria io tendron’i Afrika dia tiany hofehezina amin’ny alalan’ny tafika FAZOI, ka ny sinoa no tena tiany hasiana izay manjono aty amintsika. Tena resaka fifandanjan-kery iraisam-pirenena : Taloha dia voazarazara izao tontolo izao ary nisy ny hoe : ity ny an’ny Tandrefana, ity ny an’ny Tantsinanana,… fa izao miova tanteraka na misy ilay hoe : « nouvelle ordre » ka ny sinoa sy ny sovietika no lasa hanankinan’ny Afrikanina ny famonjena azy. Efa niresaka Iles Eparses ohatra ny sovietika hoe andao takiana. Mahita ihany koa ireo fa misy harena ao, misy 17 miliara m3 ana gaz sy solika ao, ka raha ny 1% amin’io fotsiny dia tsy mahantra intsony i Madagasikara. Ny olana anefa dia miverina foana amin’ny hoe : isika anefa tsy niomana, ny resaka fampianarana ohatra tena potika, tsy voajery, tsy te hampiana-janaka intsony ny olona,… aminy, Tena mila ny Malagasy tsirairay, ny zanantsika no tokony hitondra ny Firenena rahampitso, kanefa ny zanaky ny manam-bola no mianatra, ireo tsy mifantoka eto fa maka zom-pirenena hafa aza no ataony votoatin-draharaha, lasa miaro ny tombotsoa vahiny, hoy i Dr Rabe Landry Olivier. Tena iaraha-mahita sy miaina ankehitriny ny adisisik'ireo Firenen-dehibe amin'ny harena eto. Ny afera Base Toliara izay ifandroritana io dia ny Amerikanina no ao ambadika satria orinasan'izy ireo no nividy ny tetikasa. Dia iny ihany koa ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron nilaza ampahibemaso fa tokony hatao mpiara-miombon'antoka stratejika amin'ny fitrandrahana Terres rares, harena an-kibon'ny tany sy harena stratejika,... Ny Malagasy etsy andaniny miha fadiranovana satria ratsy tantana sy tsy mitsinjara araka ny tokony ho izy ny harena. Olom-bitsy sy ny vahiny no migalabona...
Toky R

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap