airtel

Politique

11-nov-2024

Hary Razafindrazaka

«Avy indray ireto mpisolelaka manara-penitra fitondrana»

Sample post image

Rehefa avy namotika ny asan’ny vahoaka, namotika ny fitaovan’ny vahoaka ny jiro tapatapaka ka azo lazaina hoe

11-nov-2024

mandroso miverina amin’ny laoniny dia avy indray ireto mpisolelaka manara-penitra fitondrana mi-werawera araka ny fomba fanaony, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka. Tsy aleo ve mba akombona io vava io indraindray, hoy izy? Asa raha fantatrareo mpisolelaka ireo fa faty antoka no nahazo olona maro noho ny fahasimbàna sy ny tsy nahafahana niasa fotsiny izao? Asa na fantatrareo na tsia fa tsy maintsy hiverina ireny fahatapahana ireny satria bokatrosa ny JIRAMA ary tsy ho afaka hanampy azy mandrakizay ny fanjakana? «Soyons un peu modeste!» hoy ny teny frantsay. Mbola lavitra ny famahana ny olana isika izao. Fanampinampenana ny fery no atao androany fa ny loharanon’ny olana mbola mitoetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap