airtel

Politique

16-août-2024

Hiditra 40 andro tsy misy governemanta

Tsy mety masaka fa manta mohaka ilay fitondrana…

Sample post image

Mbola tsy ho amin’ity herinandro ity no hitsangana ny governemanta raha ny tombatombana ara-politika miainga

16-août-2024

amin’ny fihetsiky ny Fitondrana. Amin’ny faran’io herinandro ho avy io raha ny vinavina mandeha. Nilaza ho nandray ireo Minisitra rehetra ao anatin’ny governemanta efa nametra-pialana ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alarovia 14 aogositra teo teny Iavoloha. Andrasana amin’izy ireo tsirairay avy ny tomban’ezaky ny asa vita tao anatin’izay fito volana izay katroka, hoy ny serasera. Notsiahivina ny hoe : nampanaovina fianianana tamin’ny vahoaka ireo Minisitra hanatanteraka antsakany sy andavany ireo aza izay tokony hipaka mivantana amin’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanakava. Nolazaina fa maro ireo fanamby sy tetikasa lehibe napetraky ny Filoha ka tokony ho hita taratra ao anatin’izany tomban’ezaka izany ny vokatra azo sy fandrosoan’ireo tetikasa goavana avy amin’ny Minisitera. Fa ny Filoha sy ny Praiminisitra no manao tombana amin’ny asan’ireo Minisitra sa izy ireo no hanomban-tena sy hanao izay hahatsaratsara ny toerany ? Inona izany izao no tena mipaka amin’ny vahoaka : Moa tsy ny fahantrana ? Moa tsy vidim-piainana midangana ? Moa tsy olan’ny jiro sy rano mandavan-taona ? Moa tsy tahan’ny fahantrana mitombo ? Moa tsy làlam-pirenena tapitra potika ? Ny sandam-bola mitotongana izay tsy izy,… Efa izao no zava-mitranga, saingy mbola lalaovina sy roritina hatrany ny fitarazoan’ny fananganana governemanta ka asa hoe : tombana miabo inona no mbola antenaina amin’izao fahapotehana tsy hita noanoa mahazo ny Firenena izao. Tsy arakaraka ny fihazakazahana nampandany an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fianianana mainka dia mainka, ary ny filazana fa hafainganina ny fampandrosoana fa tena mikatso tanteraka i Madagasikara. Tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanan-draharaham-panjakana, mandringa ny andrim-panjakana, sesilany ny fandikan-dalàna,… Miharihary ny krizy eto amin’ny Firenena, mbola tsy tena masaka ilay fitantanana firenena fa manta mohaka ka toa mandeha an-jambany hatrany. Manamafy ny maha banky ropitra ny Fanjakana, ka zara aza mitarazoka amin’ny governemanta kivonjivonjy maika eo satria tsy misy vola hampiodinana azy satria ny fampanantenana mitosaka kanefa ny tetibolam-panjakana nokantsanana, tsy manana olona na betsaka ny tsindry ara-politika amin’ny fandrafetana ny governemanta ka efa ho 40 andro tsy tafatsangana,… ? Dia io iaraha-mahita io fa ny Malagasy no mizaka ny ngidin’ny tsy fahaiza-mitantana.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap