Isan’ny nanamarika izany isika teto Madagasikara. Nisy ny hetsika notontosaina, noho izany, tetsy amin’ny ISTS Andoharanofotsy. Iarahantsika mahita amin’izao fotoana izao, hoy ny mpikarakara ny hetsika, fa marary ny fanabeazana eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy ny fanovan-drafitra ihany no hahafahana manarina an’i Madagasikara. Ilay olombelona miaina eto amin’ny firenena no resahina eto. Rafi-panabeazana mifanaraka amin’ny filàn’ny malagasy no tokony ho entina mampianatra. Nilaza ny minisitry ny fanabeazana tamin’ny andron’ny PSE fa tsy misy dian-tanany na ny kely aza iny PSE iny fa ireo atao hoe mpamatsy vola avy any ivelany na ireo mpiara-miasa amin’i Madagasikara no namolavola azy iny. Mbola dika mitovy amin’ny avy any ivelany izany ireny ka antony ilazàna hoe tsy misy afa-tsy ny rafi-panabeazana miainga ifotony eto amin’ny firenena no anabeazana ny malagasy vao mandeha amin’izany fandrosoan’ny olona tsirairay izany isika satria izany Madagasikara tsy maintsy mandroso izany dia ny olona no mila ampandrosoana mba ho fitaovana hahafahana mampandroso. Mila ovaina izany ny rafi-panabeazana sy fampianarana. Misy io izao ny LOSEM na «Loi d’orientation du système éducatif à Madagascar» dia ao izany izao ny adihevitra be. Ny fampiharana an’iny sy ny «chronogramme» izany izao no tena mahamaika eto Madagasikara. Miankina amin’ny zava-misy eto Madagasikara no tokony hanaingana ny fampianarana ny malagasy mba ho tia ny taniny izy. Ampianaro eto Madagasikara, ohatra, ny fitantanana ny ranomasina na ny fikojakojana io ranomasina io fa firy isan-jaton’ny malagasy moa no misitraka ny harena an-dranomasina eto Madagasikara? Misy tany manana harena an-kibon’ny tany betsaka toy ny safira sy andramena na Reniala sy Voamboana eto. Ny tany hanirian’ireny matetika dia feno harena an-kibon’ny tany. Sao isika mihevitra fa hiaraka haka sary amin’ny gidro sy rajako no tena anton-dian’ny vazaha eto fa hiketrika an’izany? Potika ny hoavin’ny firenena raha tsy ny fanabeazana no hamolavolana izay hitondra firenena, hoy hatrany ny mpanabe.
J. Mirija
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy
Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,
Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.
Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,