Hotsaraina anio 02 septambra 2026 ao amin'ny Fitsaràna ady heloka bevava Anosy ny jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard, raha tsy misy ny fiovana. Manamboninahitra ambony teo anivon'ny zandarimaria, efa Sekreteram-panjakana niadidy ny zandarimariam-pirenena tamin'ny Fitondrana Rajoelina, Filohan'ny Antenimierandoholona teo aloha,... Vesatra iampangana azy ny firaisana tsikombakomba amin'ny famonoan'olona sy fandratrana olona niniana natao, tamin'ny alàlan'ny fanomezana baiko sy toromarika ary famporisihana mpitandro filaminana mba hampiasa hery famoretana amin'ireo vahoaka mpanao fihetsiketsehana, nandritra ny hetsi-bahoaka ny septambra-oktobra 2026. Nanilihan'ny volomboasary ny rihitra rehefa nangotraka ny toe-draharaha satria isan'ireo nahery fiteny sy nanao fihantsiana politika tamin'ny Fitondrana Rajoelina toy ny hoe: "Tsy misy vahoaka maharesy tafika sy basy". Ny 12 oktobra 2025 izy no noesorin'ny birao maharitry ny Antenimierandoholona tsy ho Filohan'ity andrim-panjakana ity intsony. Nisy ny fisamborana azy saingy nandrahona hamoaka fitaovam-piadiana, izy mpiresaka matetika ny nanaovany "école de guerre". "Efa namboariko ny sain'ny zanako hoe "ny ahy efa vita ny fiainako, tsy hay ny havoakan'ny ampitso raha hisy sahy hanafika ahy, dia hamaly aho ka mety ho faty aho", hoy ny serasera nataony. Natahotra ny zandary tonga teo, satria nivoaka aho niaraka tamin'ny basy, fa ny mpaniraka moa tsy eo ka asa izay havoakan'ny ampitso, hoy hatrany izy ny 24 desambra 2025,... "Inona no atteinte contre la sûreté de l'État" foronina eo. Izaho tsy hanaiky fa izay hiafarany any. Raha tsy tafaresaka intsony moa fa hisy fifampitifirana dia efa manao veloma zandry. Izaho tsy nisy nataoko na kely aza, ato an-trano, ny vola azoko nanaovana lalana, sekoly, fiangonana, CSB 2, Fikambanana samihafa. Fa dia maninona loatra kosa. Fa dia veloma mandrakizay efa hanafika hono ny zandary, miandry GSIS sisa.", hoy ity Jeneraly misotro ronono ity raha tsiahivina hatrany. Ny 27 desambra 2025 anefa, nosamborina teny Ambatovinaky ny tenany, ary nanaraka am-pilaminana tamin'ny alalan'ny fiara, nentina tany amin'ny mpitandro filaminana. Naiditra am-ponja vonjimaika teny Imerintsiatosika ny 19 janoary 2026. Hatolotra eo anatrehan'ny Fitsaràna ady heloka bevava anio raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa taorian'ny fionganan'ny Fitondrana Rajoelina dia nesorina tsy hitondra ny anarany ny anaran'ny Tobin'ny zandarimariam-pirenena Ankadilalana. Ara-pitsarana, mavesabesatra ny fiampangana an'ity manamboninahitra misotro ronono nalaza nanomboka tany amin'ny raharaha 2009 ity ka asa izay mety ho didy sy fanamelohana hahazo azy? Heverina ihany anefa fa mety mbola ho lava ny raharaha. Isan'ny andrandrain'ireo mpanao politika sy mpanara-dia ny volomboasary fa lalana hanalefaka ny raharaha mikasika azy ireo ny fikaonandoham-pirenena saingy masiaka ny fanehoan-kevitra toy ny nataon'ny Filoha nasionalin'ny HVM Rivo Rakotovao, fa tsy fanadiovana ireo mpanao politika nangalatra na nanakorontana Firenena io, ka tsy tokony hafangaro. Andrasana ny tohiny...
Toky R