airtel

Politique

16-nov-2026

JOHNNY

RAKOTOARISOA

Sample post image

Mahazo isam-bato 7 tapitrisa ny

16-nov-2026

Filoha iray vao mari-toerana
Mampalahelo ny fihenan’ny tahan’ireo olom-pirenena feno taona mandray anjara amin’ny fifidianana eto amintsika hoy ny depiote Jhonny Rakotoarisoa, voafidy tany amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Farany teo dia nambarany fa 12 tapitrisa monja no voasoratra anarana ary ny 5 tapitrisa no mba tonga nifidy izay hoe : tsy hita popoka avokoa ny 7 tapitrisa. Lany tamin’ny isam-bato 2 tapitrisa araka izany ny filoha teo aloha izay nomarihina fa tsy mari-toerana velively. Izay filoha mahazo isam-bato 7 tapitrisa hoy izy no azo hatao hoe : mari-toerana. Tsy mahagaga hoy izy raha mandritra ny 5 taona voalohany ihany no milamina ilay filoha voafidy fa aorian’izay dia alohan’ny vahoaka izy. Tsy ampy 50% akory mantsy ireo mpifidy nandatsa-bato ho azy. Hisorohana izany tsy hiverimberina indrindra no nanosika ity solombavambahoaka iray ity nanatanteraka ilay tafa sy dinika fanabeazana olom-pirenena notontosainy teny Ambohidratrimo afak’omaly Sabotsy 14 Novambra. Tsy very zo isika Malagasy hoy izy fa manary zo. Nanaitra ny sain’ny rehetra noho izany ny tenany fa zo sy adidy amin’ny maha-olom-pirenena ny mifidy saingy misy tsy mahalala. Tafiditra ao anatin’izany hoy izy ny fanatonana ny Fokontany mijery ny anaran’ny ankohonana sao sanatria tsy tafiditra, indrindra fa ireo feno taona rehetra. Nasiany resaka ihany koa ny antoko politika izay nomarihina fa tokony handray andraikitra koa no sady tsy manadino ny manao tatitra ny asa vitany eny anivon’ny Ministeran’ny Ati-tany isaky ny 2 taona.
Pati
Legende : Jhonny Rakotoarisoa, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’Ambohidratrimo !
 

Dans la même rubrique