Fifaliana ho ahy ny nahafahako nifampitafa sy nizara tamin'ireo kandidà vaovao hilatsaka ho solombavambahoaka manerana ny nosy, hoy ny tale jeneralin’ny fikambanana mampiely baiboly malagasy, Hubert Rakotoarivony. Ezaka nifandrimbonan'ny EISA sy ny firenena mikambana tamin’ny alalan’ireo rantsany dia ny PNUD sy FNUAP no naha tanteraka izany, hoy izy. Tsapa sy hita taratra fa mahalala ny fiviliana sy ireo endrika fihoaram-pefy maro ataon'ireto namany efa eo am-perin'asa izy ireo. Te hitondra fanovana izy ireo. Fampitana haitarika mitaona ny vahoaka ho amin'ny fitsinjovana ny soa iombonana, ny fananana etika moraly hisorohana ny fanararaotam-pahefana sy ny kolikoly ary ny fitantanana ny fahefana ampindramin'ny vahoaka amin’ny tena no anjarako nandritra ny fampiofanana. Mba ho masi-mandidy tokoa anie ny vahoaka amin’ny fifidianana izay heverina fa hitondra ny feony ary tena hiady ho an'ny tombontsoan'ny toerana nihaviana tokoa anie ireo izay ho lany. Safidy ny hijoro amin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo
Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.
Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo