natolotry ny kandida ho solombavambahoaka Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriatsitohaina, laharana voalohany na «Numero 1» ao anaty bileta tokana, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Laharam-pahamehana ho an’ireo kandidan’ny Kolekitifa an’ny malagasy avy amin’ny Anjomara sy rivo-baovao ireo ny fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy, hoy ny fanazavana. Volavolan-dalàna maro mifandray amin’izay ihany koa no ho entina eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Ny vahoaka anefa no masin-mandidy. Ho solombavambahoaka hitondra ny tenin’ny vahoaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny laharana voalohany, kandidan’ny Kolektifa ao anatin’ny bileta tokana, ao amin’ny boriboritany faha 3, Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriatsitohaina. Efa ela no nangetaheta fanovana ny mponina. Mijoro ary manohy ny tolona ho an’ny fanovana ny kandida Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriatsitohaina. Nitaraina tamin'izy ireo ny mponina nandritra ireo fidinana ifotony maro efa natao fa olana lehibe indrindra ny fiahiana ara-tsosialy. Saro-takarina, ohatra, ny fisitrahana fitsaboana ara-dalàna. Noho ny tetikasa «Ny tsiky» ao anatin'ny vina «Ala sahirana» an'ny kandida Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriatsitohaina izao, ohatra, dia anarivony mahery ireo efa nisitraka solonify maimaimpoana tao amin’ny boriboritany fahatelo. Volavolan-dalàna maro hamahana ny olana ara-tsosialy no efa nomanina hatry ny ela ho entina eny amin’ny Antenimieram-pirenena. isan'izany ny hiahiana manokana ireo zokiolona. Hitondra ny feon’ny vahoaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka fidio ho solombavambahoaka ny kandida Nirina Rakotoarijaona sy Noely Randriantsitohaina, laharana voalohany ao anaty bileta tokana, ao amin’ny boriboritany fahatelo. Ny safidinao no hamaritra ny hoavinao. Fotoana izao hitondrana fanovana eto amin'ny boriboritany fahatelo, hoy hatrany ny fanentanana sy fampitam-baovao.
J. Mirija
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy