airtel

Politique

17-déc-2024

Kaominina Alasora

Mbola lany I Jimmy, mitohy ny fampandrosoana…

Sample post image

Araka ny vokatra navoakan’ny birao mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI

17-déc-2024

tamin’ny andron’ny omaly Alatsinainy 16 Desambra dia nivoaka ho mpandresy tamin’ny isam-bato 47,22% ny Kandida natolotry ny TIM ao anatin’ny Kaominina Alasora, Randriantsoa Jimmy. Mbola natokisan’ny mponina ao anatin’ity kaominina ny Ben’ny tanana teo aloha Randrantsoa Jimmy. Mbola nisafidy ny hanohy sy hitana azy izy ireo mandritra ny 5 taona ho avy. Sady tsy te-hanova no tsy te-hiala amin’ny mahazatra izy ireo raha bangoina. Olona tena akaiky vahoaka tokoa mantsy ity Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy ity. Mampandroso izy no sady tia mihaino ary mahalala sy mahafantatra tsara an’Alasora nandritra ny fotoana niasany tao anatin’ny 5 taona. Tsy mahagaga araka izany io vokatra azo io na dia teo aza ny fanaratsiana sy ny fanenjehana maro samihafa nandritra ny fotoanan’ny propagandy narahin’ny fizaram-bola tamin’ireo mpifidy feno 18 taona. Fantatryny vahoakan’Alasora anefa ny setroka sy ny tomany. Vahoaka tsy azo hambaika rahateo izy ireo. Eo am-piandrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny tribonaly administratifa ary dia miantso ny kandida mpifaninana rehetra mba hitodika ho an’ny fampandrosoana an’Alasora araka izay azon’izy ireo hatao avy ity Ben’ny tanana voafidy ity. Samy manana ny anjara biriky ny tsirairay eo amin’ny asa fampandrosoana hoy izy indrindra fa ny mpitarika ara-politika. Ny hahatonga an’ Alasora hiombonana mahate-honina no tanjona amin’izao 5 taona manaraka izao indray.
Pati
Legende : Nankasitraka ny vahoakan’Alasora ny Kandida Jimmy Randriantsoa !
 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Kisarintsarina Fahaleovantena no mbola misy eto Madagasikara hoy ny Ben’ny

Card image cap